Sôh’son
Mahavariana ihany ny nahita sy nandre tamin’ny haino aman-jery, ny fihetsiky fitondrana nanoloana ny fepetra noraisin’ny fitondrana frantsay amin’ny fibodoana ny Nosy Sambatra (Iles Glorieuses). Nambara fa efa misy ny taratasy hatao halefa any amin’ny fitondrana frantsay sy paik’ady miaraka aminy. Niseho ihany koa ireo solombavambahoakany eny Tsimbazaza, fa hanohana ny fitondrana. Ilay fanohanana amin’io tsy hita mazava. Ny fanohanana mazava andrasan’ny vahoaka amin’izany dia fihetsika hita maso sy feno fahasahiana.
Efa hatramin’ny taon-dasa no hita fa arirariran’ny fitondrana frantsay ity raharaha fitakian’ny malagasy ireo nosy manodidina bodoin’ny fitondrana frantsay ireo. Vao tsy nilaza sy tsy nahenoina teny ny amin’izay tohin’ny fivoriana tokony hatao any Frantsa ny mpitondra frantsay dia efa tokony hazava amin’ny mpitondra fanjakana sy ny eo anivon’ny raharaham-bahiny ny ao an-tsainy, sy ny politika malotony. Mahavariana ihany ny tsy niheveran’ny fitondrana Rajoelina izany, na mety takany ihany, fa ilay fahasahiana sy ny dingana ho hatao mihitsy no tsy misy sy tsy antenainy hahomby, no sady mety misy ihany koa ny fatopatotra any ambadimbadika any tsy fanta-bahoaka.
Mody notambatambazany tamin’ny famerenana ny tataron’ny fiandrianan’ny mpanjaka ve, dia niahotrahotra nanao ny fitakiana? Eo rahateo ny fanambatambazana lava izay tampi-maso amin’ny alalan’ny fanampiana ara-bola ataon’ny frantsay dia nangingina raha tsy efa misy indray izao fihetsiny tao amin’ny Nosy Glorieuses izao. Maneho ny hakelin’ny herin’ny fitondrana izany sy tsy fananana vahaolana sy paik’ady mahomby manoloana izao raharaha izao. Lesoka sy tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina izany.
Ny ahiana amin’izao raharaha izao, rehefa hitan’ilay fitondrana fa tsy tafavoaka izy, dia mody manao zavatra hafa hanariana dia ny vahoaka malagasy. Iray amin’izany, ohatra, ity fankalazana ny Asaramanitra ity, izay hisehosehoana eny amin’ny kianjan’i Mahamasina na « kianjan’ny Barea », ny andron’ny 26 Jona izao.