Andry Tsiavalona
Anisan’ny raharaha mafanafana eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana mampisasaka ny fepotoana itondran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry izao, ny eo amin’ny sehatry fitsarana sy ny fanabeazana ary ny fandriampahalemana. Mampanontany tena ny olompirenena, indrindra ny vahoaka eo anivon’ny saranga farany ambany, eto amin’ny Firenena, ny tranga iainana eo fiasan’ny fitsarana.
Angamba efa zatra ny mandroso mihemotra eo amin’ny fanapahankevitra izao fitondrana izao saingy tsy nampoizina, ary tsy hita maneran-tany, ny fisian’izany fomba izany eo amin’ity rafitra fitsarana, izay heverina fa mahaleotena ary tsy azon’iza n’iza baikona ity. Tsapa sy iainan’ny mponina, tompo-tanindrazana eny Antanandrano anefa izany eo amin’ny didy mifanipaka sy tsy manaja ny ambaratongam-pahefana eo anivon’ny fitsarana, ka ny didy navoakan’ny fitsarana mpandrava didy (cours de cassation) dia ravan’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Mibaribary fa misy dia tànan’ny ao amin’ny fahefana mpanatanteraka, na ny filohan’ny Repoblika mihitsy ity raharaha ity matoa tsy misy fanoherana ataon’ny minisitra tomponandraikitra, izay mpitsara, manoloana ity toe-javatra ity.
Mibaribary koa izany fandehan-draharaha, mandroso mihemotra, eo anivon’ny fitsarana izany raha ny fitsarana ny tale jeneralin’ny ACM no jerena. Nampidirina am-ponja indray alina dia navoaka ary mody nolazaina fa namindra fahefana no antony kanefa dia naverina teny am-ponja indray, araka ny vaovao mivoaka amin’izao fotoana izao dia ampanaovina asa any amin’ny minisitera iray izy. Azo antoka fa misy dia tànan’ny mpanatanteraka ihany koa ity raharaha ity. Iaraha-mahalala ireny resaka “bonbons sucettes” nandaniana vola valo miliara ariary kanefa dia ilay mpandraharaha nahazo ny tolo-barotra sy namatsy izany indray no migadra ary ny tomponandraikitra voalohany nesorina amin’ny toerany fotsiny ary mirihariha any. Torak’izany koa ny ketrika “écrans plats”, ka ny minisitra sy ny vadiny nanao izany afera izany dia tsy voahozongozona eo amin’ny toerany herintaona aty aoriana. Raha ireo toe-draharaha ireo no jerena na dia tsy tokony hisy afaka manome baiko na manao tsindry amin’ny mpitsara aza eo amin’ny firenena iray dia miavaka ary manintona ny mason’izao tontolo izao ny eto Madagasasikara raha ny resaka fitsarana no jerena.
Mampiteny ny moana ihany koa ny raharaha fanabeazana eto amin’ity Nosy ity. Tsy ho jerena anio ny eo anivon’ny fanabeazana ambaratonga voalohany sy faharoa na eo aza ny olona mianjady, tsy mety voavaha, amin’ny mpampianatra FRAM. Manahirana sy mahabe resaka ny olana ara-bola misy eny amin’ny anjerimanontolo, tsy eo amin’ny vatsim-pianaran’ny mpianatra ihany, fa eo koa ny karaman’ny mpandraharaha. Ny tena tsy mazava dia ao anatin’ny tetibola isan-taona toy ny karaman’ny mpiasam-panjakana ireo zavatra roa ireo kanefa dia raha tsy mihetsika ny mpianatra na ny mpandraharaha vao mikoropaka ny eo amin’ny fitondrana. Ny tena loza dia tsy maintsy manao zavatra mamoafady hatrany ary mivadika ho herim-pamoretana ireo lazaina fa mpitandro ny filaminana. Toy izay nitranga tany Barikadimy Toamasina, dia nisy mpianatra namoy ny ainy ihany koa tany Toliara ny Alarobia lasa teo raha nanao hetsika nitakiana vatsim-pianarana am-bolana maro ny mpianatra ao Maninday. Nikoropaka ary mamono afo, toy ny fanaony, ny mpitondra ka miakatra ao amin’ny fahitalavitra dia manambara fa efa hivoaka ny “carte visa” ho an’ny mpianatra. Efa nisy delegasiona marobe nidina tany Toliara ny taon-dasa ary nanambara fa hovahana ny olana kanefa dia miverina indray amin’izao fotoana izao, tsy mahagaga izao zavatra izao, fa efa fanaon’ny mpitondra ankehitriny ny mampanantena kanefa tsy misy fanatanterahana rehefa avy eo. Ny filohan’ny Repoblika mihitsy no nampanantena karnem-pokontany “biomètrique” tamin’ny niandohan’ny valanaretina covid-19, sy nizaran’ny mpitondra ireny “tosika fameno” sns,…ireny.
Tsara ny mampahatsiahy ireny tranga ireny, mba ho entina misaina sy mamantatra ary mampitaha ny manavanana ny mpitondra rehetra nifandimby nandritra izay 61 taona namerenana ny “fahaleovantena” izay.