Andry Tsiavalona
Tsy mandry ny tany: misafotofoto ny fiainam-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra, manahy ny mbola hidiran’ny valanaretina amin’ny endriny hafa ny ankamaroan’ny Malagasy, manao tantely afa-drakotra ireo manararaotra ny fahefana eo am-pelatanany, mikorosy tsy misy fitsaharana ao amin’ny lavaky ny fahantrana lalina ny sivifolo isanjato maherin’ny mponina eto amin’ity Nosy ity. Any amin’ny Faritra any dia misy vaovao foana isan’andro momba ny tsy fandriampahalemana ary tena mihantsy ireo mpampandry tany mihitsy ny dahalo.
Tsapa tokoa fa sady tsy ampy olona no tsy ampy fitaovana ny napetraka hiaro ny vahoaka sy ny fananany, na dia raitra sy manarapenitra tokoa aza ireo fitaovana narantiranty tamin’ny matso nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena raha ny teto an-drenivohitra no jerena. Amin’ny toerana sasany dia miandry ireo fonenana na tany nobodoiny sy hananaganan’ireo vahiny fotodrafitrasa ny mpitandro ny filaminana gasy ary mandroaka ireo tompon-tanindrazana amin’ireny toerana ireny. Noroahina tany amin’ny toerana fitrandrahana harena ankibon’ny tany ny vahoaka efa nanao antom-pivelomana izany ary mbola ireo lazaina fa mpiaro ny vahoaka sy ny fananany ihany koa no miambina ny toerana ary mampiditra olona voalaza, fa ampiasain’ny manampahefana hitrandraka.
Araka ny vaovao ihany anefa dia mirongatra izay tsy izy ny asan-jiolahy amin’ny toerana manodidina itony toerana itony. Raha hitandro ny filaminana marina no ampiasana ireo ao anivon’ny foloalindahy ireo dia tokony haparitaka any amin’ny Faritra ampihorohoroan’ny dahalo izy ireo. Tsy izany toe-javatra izany ihany no manahirana ny vahoaka, fa tsy mitsaha-miakatra isan’andro ny vidm-piainana, ka na dia ny olom-pirenena mikarama isam-bolana aza dia mifohofoho volo ka folo na dimy ambinifolo andro ihany no hany azo antoka fa mahavidy ny haninkohanina.
Mampitombo ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana ihany koa ny tsy fisian’ny asa sy ny fahaverezan’asa ary ny fandefasana mpiasa hitsahatra ara-teknika amin’ny asany (chômage technique). Mitombo izay tsy izy ny mpivarotra eo amin’ny sehatra tsy ara-dalàna (secteur informel), izay mameno ny sisin-dàlana an-tanàn-dehibe, etsy an-kilany kosa dia maro be ireo mitangorona eny amin’ny fanariam-pako mitsindroka izay hitany na dia efa masiso aza izany. Tsy vitsy koa manao tafo lanitra izay mivihivihy ny hatsiaka satria voaroaka tamin’ny trano noho ny tsy fahaloavana hofan-trano. Mihorohoro ny valalabemandry manoloana ny fahefana mpitsara satria ny fahitana azy dia tsy mitsara araka ny lalàna sy ny zava-misy marina ny didy mivoaka, fa arakaraky ny olona mandalo eo amin’ny fitsarana. Misy koa ny olompirenena izay na fatam-poko, fatam-pirenena izao aza fa nandika lalàna dia tsy mandalo famotorana sy fitsarana ka miriaria any foana. Tsy takona hafenina koa fa misy lalàna ketrehina hikendrena olona iray ihany, fa tsy mifantoka amin’ny mety ho fiarovana ny fahamarinana sy ny marina amin’ny ankapobeny. Tsy eny anivon’ny fitsarana tsotra ihany no misy ity toe-javatra ity fa na dia eny amin’ny fitsarana azo lazaina fa fitsarana toe-draharaha manokana toy ny fifanolanana misy eo amin’ny fampiharana ny lalàmpanorenena sy ny ady amin’ny kolikoly aza.
Zava-doza iray lehibe mitranga eto amin’ny Firenena tato anatin’ny herinandro vitsy ny kere any Atsimon’ny Nosy satria dia lasa adihevitra eran’izao tontolo izao eo anivon’ny fahitalavitra sy ny tambazotran-tserasera ny vaovao navoakan’ilay mpanao gazetin’ny France-24 Gail Borgia. Ny tena manahiran-tsaina ny maro dia miaro ny tsy azo arovana ny mpanao gazety gasy sy ny tomponandraikitra sasany. Tsy azo lavina ary tsy azo odian-tsy hita ny taolana mifono hoditry ny mpiray firenena any Atsimo sy ny hetsika ataon’ireo vondrona iraisam-pirenena sy sampan-draharaham-pirenena mpanao asa fampandrosoana manampy azy ireo.
Araka izany dia mampandry adrisa sy mangoron-karena mambotry ny mpiray Tanindrazana aminy no ataon’izao fitondrana izao, fa tsy mikatasaka izay hanafahana ity Firenena ity amin’izao loza mianjady aminy izao. Tsy azo ovaina ary tsy azo kosehina na fafana ny tantara, ka na iza na iza olompirenena manao ratsy amin’ny mpiarabelona aminy na mamadika Tanindrazana dia ny mpiray Tanindrazana aminy ankehitriny no manana zo hanameloka sy hitsara azy, fa ny tantara kosa dia raketina an-tsoratra hipetraka ho an’ny taranaka araka izany.