Andry Tsiavalona
Tsy mitsahatra miseho eto amin’ity Nosy ity ny fahafahambaraka noho ny fihetsika sy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina, manoloana ny zava-misy eo amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy.
Taorian’ny namoahan’ilay mpanao gazetin’ny France 24 ny fiainan’ny mpiray Tanindrazana any Atsimo izay mahandro sy mihinana hoditr’omby efa maina entina hanaovana kapa. Niezaka nanadio tena tamin’ny alàlan’ireo tomponandraikitra isan-tokony, ka ny governoran’ny Faritra Androy no nanomboka izany. Nihevitra izao fitondrana izao fa ny adim-borotsiloza nataony tamin’ilay mpanao gazety vehivavy avy any ivelany ity dia ampy nanafenana ny zava-misy marina any Atsimo, kanjo vao mainka nampiahaka sy nampibaribary manerana izao tontolo izao ity tranga mahonena ity. Araka ny vaovao avy any aza dia niresaka momba ny any Atsimo hatramin’ny Filohan’ny Firenena Mikambana (ONU), saingy mody ny fiovaovan’ny toetrandro miteraka hain-tany no noresahany tamin’ny mpanao gazety.
Efa noresahana ihany koa ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana momba ny satan’ny mpanohitra, izay raha ny marina dia fanehoana na mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana na tsia ilay sata nolanian’ny Antenimierampirenena. Tena manala baraka ny Firenena ny toe-javatra sahala amin’itony satria izao fitondrana izao ihany no namolavola ny Lalàmpanorenana ny taona 2010 ary nanamafy tamin’ny lalàna ny sata mifehy ny mpanohitra ny taona 2013. Mampiseho ny fahalemen’ny mpitondra sy ny fatahorana olona iray ity didy nivoaka ity ary heverina, fa tokony haneho ny heviny momba izany ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy raha tena mikatsaka ny tsy hisian’ny fifampiandaniana eto amin’ity Firenena anjakan’ny fifankahalana ity.
Nampiseho ny tsy fisian’ny fifanajana sy fanajana ny laharam-pahefana (rang protocolaire) voafaritry ny Lalàmpanorenana ny mpitondra ny fihaonan’ny Solombavambahoaka sy ny Governemanta teny amin’ny CCI Ivato. Mahamenatra tokoa raha ny manampahefana ambony eto amin’ny Firenena no tsy mahafantatra ny andraikitra sy ny fitondran-tena ary toetsaina tokony hananany, manoloana ny olona na rafi-panjakana mifanatrika aminy. Tsy vao tamin’iny fivoriana iny no nisy tranga mahamenatra toy izany, fa tamin’ireo fivoriana tahaka izao tao anatin’ny roa taona. Tsapa tamin’izany fihaonana izany fa mifamadika tanteraka ny filaharana eo amin’ny ambaratongam-pitantanana (hiérarchie), satria ny mpikambana ao amin’ny governemanta indray no lasa manaramaso sy mitsara ny solombavambahoaka. Mody tsy mahalala ireo minisitra sasany, fa zon’ny depiote tanteraka ny mangata-panazavana sy manara-maso ny asany. Azo inoana fa ilay tranga tamin’ny fivoriana ara-potoana farany, izay ny governemanta indray no nampiantso ny solombavambahoaka sasany teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo momba ny fandaniana lalàna iray. Tsy fahita eran-tany izany toe-javatra izany, satria ny Parlemanta no manana zo hampiantso ny governnemanta, fa tsy ny mifamadika amin’izany. Na izany na tsy izany, misy ny depiote izay tsy mahalala ny andraikiny sy ny firafitry ny andrimpanjakana, ka ny mandoka ny mpikambana ao amin’ny governemanta ary mametraka ny tenany ho olom-pehezin’ny minisitra. Na tiana na tsy tiana dia mahamenatra eo imason’izao tontolo izao ny toe-javatra sahala amin’izany.
Eo amin’ny fifandraisana eo amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany dia tena mahamenatra ny nitakian’ny Unicef ny porofo nampiasan’ny mpitondra ny vola valonjato tapitrisa dolara ny taona 2019. Tena mahamenatra mihitsy ny tsy fisian’ny mangarahara eo amin’ny fitantanan’izao fitondrana Rajoelina izao ny vola azony na avy aiza na avy aiza. Tena tsy handroso tokoa i Madagasikara, satria ny vola miditra rehetra, na nindramina na nampisamborina na avy amin’ny hetra, dia « lasa rano » avokoa. Mifandimby mitokona ny mpisehatra rehetra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Tsy adino ny mpianatra sy ny mpandraharaha eny amin’ny Anjerimanontolo, ny mpitsabo mpanampy noho ny tsy fanefan’ny mpitondra ny zo tokony hisitrahany. Indray andro taorian’ny nanatanterahana ny fanadinana CEPE dia re, araka ny vaovao azo, fa mitokona ireo mpampianatra tokony hitsara ny fanadinana, any amin’ny Faritra sasany any, noho ny tsy mbola nisitrahany ny vary mangatsiakan’ny tambin-karamany tamin’ny taona lasa. Tsy amin’ireo sehatra ireo ihany no misy tranga toy izany fa eo amin’ireo mpandraharaha mpanamboatra làlana ihany koa, izay mahamenatra eo imason’izao tontolo izao.
Taorian’ny fihaonan’ny governemanta sy ny saolombavambahoaka izay nitarainan’ny SEG fa be dia be sy mafy dia mafy ny fanenjehana azy dia tsy fantatra intsony na fomba entina hamiliviliana ny saim-bahoaka indray izany. Voasambotra ny olona maromaro voalaza fa nifofofo ny ainy. Raha ny marina dia tsy hitondra soa na ho an’iza na ho an’iza sady tsy hampiova na inona na inona izany fikasana izany, satria tsy ny maha eo na tsia ny olona iray no hampivoatra na tsia ny Firenena sy hampiakatra ny farimpiainan’ny valala tsy mandady harona. Tsy ho variana amin’ny sarin’ady anie ny Malagasy, satria mbola goavana dia goavana ny ady tsy maintsy hatrehiny.