EDITO 15 jolay – Fitantanam-pirenena tsy mahomby: tsy andraikitra olona iray na roa ihany

Sôh’son

Efa tapa-pe-potoana amin’ny nitondrany i Andry Rajoelina sy ekipany miara-dia aminy ity, tsy mbola miaiky sy miàla tsiny amin’ny vahoaka fa tsy nahomby ny asany. Tsy lavina, misy ny asa nataony, fa toy ny mpianatra any an-dakilasy ihany, manao fanadinana fa 5 amin’ny 20 ny naotiny. Nanoratra, namaly ny fanontaniana tamin’ny laza adina, fa tsy nahafapo ny mpitsara fanadinana. Dia toy izany izao fitondrana izao sy ny asa nataony.

Ho an’ny vahoaka, ny ao am-bilaniny, ny kitapom-bolany, ny sakafony, ny fahasalamany, ny fianaranan-janany, ny trano fonenany, ny fihariany sy ny fivelomany, ny filaminany, no tadiaviny ho vahan’ny fitondrana ao anaty fotoana haingana voafaritra, ireo no laza adina mila valiny maika sy mazava. Tsy hita soritra mazava anefa ny fivahan’ireo hatreto, tao anatin’izay fe-potoana izay, na dia nampanantena tsy nisy toy izany aza tany am-piandohana.

Mahakasika ministera maromaro tomponandraikitra, ireo sehatra tsy voavaha ireo. Volabe no nanakaraman’ny vahoaka azy ireo. Raha any amin’ny orinasa tsy miankina efa ela no noesorina tamin’ny andraikiny ny tomponandraikitra voalohany misahana izany. Raha tany amin’ny firenena mandroso ihany koa dia efa nahay nahatsapa sy nanàla tena ny misahana ny andraikitra mahaory ny vahoaka ireo. Eto amin’ny firenena anefa, asa izay hiheverany ny vahoaka sy ity firenena ity?

Miaina anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina ny vahoaka ankehitriny, ary mbola hihamafy kokoa izany ato ho ato. Tsy misy vahaolana aroso entina hamahana na hanamaivanana izany ny fitondrana mandraka ankehitriny. Tsy ireo ampahan’olona na vahoaka iangarana tolorana tombontsoa kely no isehoana sy ilazana fa manao ny fitondrana. Tsy ampahana vahoaka kely no nifanarahana ho tantanin’izao fitondrana izao sy hotsinjoviny, fa ny Malagasy iray manontolo, izay samy manana ny fahasahiranany avokoa, esorina ao anatin’izay ireo olom-bitsy mpanefoefo mahazo tombontsoa amin’izao fitondrana izao. Rehefa tsy vita izany, dia azo tsorina fa tsy nahomby ny asa nataon’ny fitondrana.

Tsy ireo minisitra tsy mahomby ihany no tokony halàna eo amin’ny toerany, fa ireo rehetra tomponandraiki-panjakana rehetra tsy ankanavaka, mitàna andraikitra sy fahefana isan’ambaratongany, izay misy fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka ny asa ataony. Tsy andraikitra mpilalao iray eny an-kianja ny tsy fahombiazana sy ny faharesena, fa voakasik’izany ireo mpilalao miaraka aminy hatrany amin’ny mpanazatra sy ny tomponandraikitra rehetra. Raha mbola mpilalao iray na roa no esorina, fa ny ankoatra izay tsy hisy hiova, dia hitohy hatrany ny tsy fahombiazana ary tsy tokony hanantena vokatra tsara ny mpanohana azy.

Toy izany no niseho teo amin’ny fitantanam-pirenena tao anatin’izay fotoana niasan’ny fitondrana izao izay. Lalaovina hatrany ny vahoaka amin’ny fanaovana zavatra hanampena-maso sy hanarian-dia azy tsy hahatsapa marina, fa mihitsoka ny fivoaram-piainany, ary ilaozan’ny firenen-kafa ny fireneny amin’ny fandrosoana.