Helisoa
Akaiky ny fotoana hialàn’ny filoha Hery Rajaonarimampianina eo amin’ny fitondràna, araka ny lalàna tsy maintsy miala eo amin’ny toerany maha filohampirenena azy ity farany 2 volana mialohan’ny fifidianana satria kandida.
Arak’izany, veloma tsy hiverina intsony ho an-dRajao afaka herinandro, izany hoe amin’ny 7 septambra izao, satria tsy maintsy hiala ity filoha mpampiesona ity amin’io daty io.
Ao anatin’izany fotoana fohy izany anefa dia mihazakazaka mitety an’i Madagasikara iHery Rajaonarimampianina, mitokana ireo lazainy fa zava-bita. Na zavatra tsy tokony ho tokanana filohampirenena aza dia ataon’ity farany avokoa satria te–hiseho eo imason’ny vahoaka izy fa miasa ny fanjakàna notarihiny.
Dia manantena ve ity filoha ity fa tena nahavita be teto amin’ny firenena nandritra ny fotoana nitondràny nandritra ny 5 taona? aoka ny vahoaka no hitsara satria tsy adala akory ny Malagasy ka tsy hahafantatra ny setroka sy ny tomany.
Ny fantatra aloha dia nanomboka ny 2009 no mankaty dia nitotongana ny fari–piainan’ny Malagasy, tafalatsaka ao anaty fahantrana tanteraka ny vahoaka, fa ireo mpitondra kosa miaina ao anatin’ny harena be tsy hita pesimpesenina, izay atao fafi-katrana ankehitriny.
Ny tsy fandriampahalemana dia efa tena mampiteny ny moana, ka mamita-tena ihany ny Filoha Rajaonarimampianina, mitokana sy mametraka vato fehizoro etsy sy eroa amin’izao fotoana.