Andry Tsiavalona
Tena tandindonin-doza marina, angamba ny ain’ny filohan’ny Repoblika-IV satria raha ny fizotry ny famotorana sy ny fisamborana amin’izao fotoana izao dia toa misy voasaringotra, na ny ao amin’ny foloalindahy, na ny sivily, na ny ao an-dapa eny hatramin’ny mpitondra fivavahana koa aza.
Araka ny vaovao mivoaka sy miparitaka amin’ny gazety sy amin’ny haino aman-jery omaly dia natao famotorana koa ny Arsevekan’ Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, ny alakamisy lasa teo. Raha tsiahivina anefa ny lasa dia ity Raiamandreny ara-pivavahana ity no anisan’ny nanohana ny filohan’ny Repoblika ankehitriny tamin’ny raharaha 2009. Heverina fa izany no naha banga ny toeran’ny Kardinaly teo amin’ny Fiangonana Katolika nandritra ny tetezamita, satria fanonganam-panjakana no nisy ary dimy taona no naharetan’izany. Tsy mbola fantatra izay ho tohin’izany famotorana izany kanefa ny Fiangonana Katolika kosa, nanambara tamin’ny alàlan’ny Kardinaly, fa tsy mankasitraka velively ny herisetra sy ny famonoan’olona. Tsy ny Fiangonana irery ihany anefa no manameloka izany, fa izay misoratena ho Kristiana rehetra satria Didy iray amin’ireo Didy Folon’Andriamanitra nomeny an’i Mosesy izany ary voarakitra ao anaty Baiboly.
Azo inoana anefa fa antony politika no niteraka izao fikasan-dratsy izao kanefa lasa iainan’ny sehatra rehetra misy eto amin’ny fiarahamonina ny “politika”, ka eo anivon’izany dia ao foana ny mpamono olona na mivantana na ankolaka. Tsy ny mandatsaka aina amin’ny alàlan’ny fitaovana ihany anefa no manao izany, fa na izay mijoro vavolombelona mandainga manameloka ny marina koa aza, araka ny Didy Folo. Torak’izany koa ny mpangalatra, mpanao tsindry hazo lena, ny mpametsifetsy, ny mpanampatra fahefana, satria izay iharan’izany dia efa mijaly ara-batana sy ara-tsaina ka azo lazaina fa mamono olona ireo rehetra ireo. Tsy ety amin’ny fiarahamonina sivily ihany no ahitana ireo sokajin’olona ireo, fa hatrany am-piangonana, eny anivon’ny fahefana mpitsara, any amin’ny rafitra mpanao famotorana, eny hatrany amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra any koa aza.
Araka izany, ny Olom-boahositra rehetra dia tsy maintsy mijoro amin’ny fahamarinana ary tsy maintsy sahy mandala ny fahamarinana, ka ho sahy mamotsipotsitra ny tsy marina, manameloka ny fifampiandaniana sy ny firaisana tsikombakomba ary mamaky bantsilana ny kolikoly. Mahazo vahana sy manjaka ireo toe-javatra ireo eto amin’ny Firenena koa raha sahy mijoro sy manitsy izay olompirenena mizotra amin’izany làlana izany ny Mpitondra Fivavahana dia tsy fanaovana politika izany, fa fanehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Na izany na tsy izany dia tsy ny famonoana filohan’ny Repoblika no hanova na inona na inona, fa ny famerenana ny tsirairay hizotra amin’ny fitiavana ny namana tahaka ny fitiavany ny tenany.
Tandindonin-doza koa ny Firenena satria nivoaka tany amin’ny fampahalalam-baovao ary miparitaka ny fivakivakisana, tsy eo anivon’ny fitondrana ihany, fa ao amin’ny mpanohitra ihany koa. Ny zava-misy izay mampametram-panontaniana dia toa mitovy ihany ny tanjona eo amin’ny Vondrona Panorama sy ny Rmdm kanefa dia tsy afaka miara-dàlana izy ireo. Araka izany dia ny fisainana samy te ho lohany no mibaiko satria araka ny fantatra dia hametraka ho ara-dalàna ny maha mpanohitra azy koa, hono, ny Vondrona Panorama. Tsy eo amin’ireo vondron’ny mpanohitra roa ireo ihany no misy ny disadisa fa na eo amin’ny samy Rmdm koa aza. Toa efa mahazatra ny mpanao politisiana malagasy no miady ho lohany.
Raha itodiana ny tantara dia tany amin’ny Repoblika II no nanomboka nibaribary izany fivakisana izany. Iaraha-mahatadidy fa nisy ny Arema Ambohitsorohitra sy ny Arema Isoraka. Nivaky roa ho Akfm Fanavaozana sy Akfm Kdrsm ny antoko mpanohitra azo lazaina fa natanjaka indrindra. Torak’izany nizara telo ny Monima: Monima Ka Miviombio sy Monima Remanindry Jaona ary Monima Tsihozony Maharanga. Nandritra ny tolona nialàna tamin’ny Repoblika II dia nivaky roa ny mpanohitra ka teo ny Herivelona Rasalama sy ny Herivelona Rabearivelo. Tsy nitondra ny Firenena na taiza na taiza izany fa nitondra tany amin’ny adilahy politika sy ny fifankahalan’ny samy Malagasy ary ny tena loza dia niteraka valifaty tsy misy fitsaharany. Raha tena fikatsahana ny fampandrosoana ny Firenena sy famerenana ny hasin’ny Tanindrazana ary famoahana ny mpiray firenena ao anatin’izao lavaka mangitsokitsoky ny fahatrana izao no tanjona dia diso làlana izay mbola manan-tsaina hitady tombontsoa manokana hoan’ny tenany. Izay manandra-tena no hahetry, izay manetry tena no hasandratra.