Fahombiazana ny hetsika fialamboly sy politika – Hiditra amin’ny dingana manaraka ny Vehivavy TIM

Isambilo

Azo lazaina fa fahombiazana, ny hetsika Fialamboly sy Politika, nokarakarain’ny Vehivavy TIM Analamanga tetsy amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka, ny sabotsy teo. Tsy ireo vehivavy ihany no tonga maro nandritra izany, fa teo koa ireo sokajin’olona samihafa, na lehilahy, na tanora, na zokinjokiny, na ny antonontoniny,… Fanentanana, kalon’ny fahiny sy ny ankehitriny, hira tolona, … no nanafanana ny fotoana nandritra izany, ka ny masoandro nilentika no nampalahelo. Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany ny solontenan’ny birao politika nasionalin’ny antoko TIM, nahitana ny mpandrindra nasionaly Jean Claude Rakotonirina, sy Julien Andriamorasata,…

Nambaran’ny filohan’ny Vehivavy TIM Analamanga, Rahelisoa Arphine fa: “nahafinaritra ny fiarahana, hiditra amin’ny dingana manaraka, hanangana ny VEHIVAVY TIM eny amin’ny boriboritany sy ny kaominina indray, hanabe voho ny vehivavy TIM, manomboka amin’ity herinandro ity ny biraon’ny vehivavy TIM Analmanga”. Hiditra amin’ny dingana manaraka indray izy ireo, ka ny tanjona dia ny haka fahefana, hamerina ny filoha Marc Ravalomanana indray ho eo amin’ny fitondrana, satria efa tena mijaly ny vahoaka amin’ny ataon’izao fitondrana mpamita-bahoaka, sy mpandika lalàna samy hafa izao.