Sôh’son
Efa ambara mandrakariva, fa tsy afaka miaraka amin’ny baolina kitra ny politika. Maratra io tontolon’ny baolina kitra io raha mitsabatsabaka ao aminy ny politika. Tsy mampandroso azy io. Dia ankoatra ny filohan’ny Repoblika tsy miahotra mivatravatra fiavy ao anatiny, dia ireny iaraha-mahita ireny ny zava-nisy tamin’ny alakamisy hariva teny Mahamasina. Olona hijery baolina kitra ezahina sasàna ati-doha amin’ny resaka politika sy karazan’ny anaovana fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana sahady. Toy ny hoe i Andry Rajoelina irery no angady nananana sy vy nahitana amin’ny fanavaozana an’i Mahamasina, ka nohindrahindraina ery. Aoka tsy hodisoina ny tantara, fa lazao izay marina.
Niarahana niasa akaiky tamin’ny sinoa ny fanaovana ny asa. Rehefa miresaka sinoa koa anefa ankehitriny, olona badrahodra ihany no tsy mahalala, fa ny fiaraha-miasa aminy dia tsy maintsy misy ambadika na setriny avokoa. Tsy misy maimaimpoana izany ny an’ny sinoa ny fiaraha-miasa aminy. Resaka jeopolitika izany ho an’ireo taraiky ka tsy maharaka ny fivoarana sy ny fironana misy ankehitriny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa tsinjo ny politika sinoa amin’izao fotoana izao. Ny fitondrana Malagasy anefa miezaka tsy miresaka na kely aza amin’izany amin’ny vahoaka Malagasy. Tsy mahay ve sa minia mikimpy, ka manao izay ahafahana fotsiny ihany manao na mahavita zavatra hanampena-maso ny vahoaka gejain’ny fahoriana sy ny fahantrana lalina andro aman’alina nandritry ny fotoana ela izay?
Hoan’ny fitondrana Malagasy, tsy ny sinoa loatra no tena ironany iaraha-miasa, fa ny fitondrana frantsay. Sarotra ho azy ny hiàla amin’ny “tady fato-maty” nataon’ny mpanao politika maloto frantsay, ary kely endaka izy eo anoloan’izany. Manaporofo izany ny resaka nentin’i Andry Rajoelina momba ny resaka nifanaovany tamin’ny filoha frantsay momba ireo Nosy Malagasy, ary misongadina amin’izany ny Nosy Sambatra na “îles Glorieuses”. Rehefa miresaka ity Nosy ity, dia mifamatotra amin’ny fiandrianam-pirenena izany. Toa “fiandrianam-pirenena” hafahafa anefa ity niarahan’ny roa tonta nidinika. Mbola hita soritra fa mandrirarira fotsiny ny raharaha ny mpitondra frantsay. Toa hamaivanin’ny filohan’ny Repoblika Malagasy anefa izany.
Amin’ity andro sabotsy ity no hanaovana lanonana eny amin’ny kianjan’i Mahamasina. Moa va tsy toa miendrika fanarian-dia ny Malagasy indray izany? Hifaly sy hanao lanonana ao anatin’ny fahasahiranana sy fahantrana vao avy nampiditra ny zanaka hianatra. Sahirana ny besinimaro amin’ny fotoana miditra amin’ny taom-pianarana vaovao toy izao. Tsy nisy finiavan’ny fitondrana hanampy azy ireo tamin’izany. Sa ampahana olona ihany ireo sahirana, fa ny maro afaka mihatsara ny fiainany ankehitriny, roa taona sy sivy volana nitondran-dRajoelina? Toa mifamadika amin’izany ny zava-misy. Hitondra ny ampahana vahoaka hinia hikimpy hifaly sy hamono eritreritra manoloana ny fahantran’ny hafa mpiray tanindrazana aminy ve izany no atao eto?
Aoka hoezahina mafy araka izay azo atao izay hampiray ny Malagasy, sy ny mba hifankatiavany ary hiraisany hina. Fa raha mbola misy ny toe-tsaina manao vain-drahalahy tsy maharary dia mbola ho lavitr’ezaka ny fampandrosoana.