Radafy
Ao anaty fotoana tanteraka amin’ny fiomanana amin’ny fomba hidiran’ny mpianatra afa-panadinana bakalorea, amin’ireo ivontoerana na sekoly amin’ny ambaratonga ambony izao. Heno sy hita etsy sy eroa ireo toerana anatanterahan’ireo sekoly ambony maro samihafa na miankina na tsia amin’ny fanjakana ny velatseho isan-karazany, ho fampahafantarana ny mpianatra izay tokony ho lalan-kizorany manomboka izao raha hanohy fianarana. Tsy tokony hohadinoina, fa sahirana tokoa ny ankamaroan’izy ireo, mba tsy ilazana ho saika izy rehetra mihitsy, nandritry ny krizy ara-pahasalamana sy ny fepetra noraisin’ny fitondrana tao anatin’izany. Misy hatramin’izao fotoana izao tsy mbola tafarina mihitsy, ka tsy mahaloa ny karaman’ireo mpampianatra ao aminy. Araka izany dia tena fotoana mety amin’izy ireo tokoa ny fotoana toy izao, hisintonana ny mpianatra hiditra ao aminy amin’ny alalan’ireo tolotra amin’ny lalam-piofanana misy ao aminy. Tsy voatery ho tsara avokoa anefa ireo sekoly ambony mijoro eto, ny lalam-piofanana ao aminy sy ny kalitaon’ny fampianarana na ny toeram-pianarana ihany koa. Mila mijery tsara izay ny mpianatra sy mamakafaka tsara, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra amin’izay safidy hatao, mba tsy hanenina avy eo sy ho very fotoana sy lany andro. Efa nisy sekoly ambony tsy miankina namitaka mpianatra teto ary nampalahelo tokoa izy ireo, fa nikatona antenatenam-potoana amin’ny taom-pianarana ilay sekoly. Avy eo sahirana ireo mpianatra nitady sekoly hafa nifindrana satria misy ireo tsy mety mandray azy noho ny fahafantarana ny zava-nitranga.
Rehefa jerena koa anefa tsy sekoly ambony maro no manao ilay velatseho, fa vitsivitsy ihany. Misy antony tsy ahavitan’izy ireo izany, ary tsy isalasalana ny antony iray lehibe dia resaka ara-bola takiana amin’ny fandraisana anjara. Ilay sekoly rahateo koa vizana amin’io lafiny io noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena. Etsy ankilan’izay, tena nanampy sy namaha ny olan’ny mpianatra ve ireny hetsika ireny? Tsy lavina, mety ho maro tokoa no voatoro lalana sy tsy diso safidy, ary tena ilaina ireny. Mety mbola hisy ihany koa anefa ireo tsy tafavoaka na dia nisy aza ireny hetsika ireny indrindra, ny zanaka Malagasy tsy afa-miditra sy mitsidika ny fampirantiana noho ny tsy fahafahana ara-bola firy. Manaporofo izay ny mbola fisian’ireo mamerin-taona ary misy aza tsy tafavoaka mihitsy ao amin’ny taona voalohany amin’ny sampam-pianarana nosafidiany ary ny niafaràny voatery miàla ao amin’ilay sampam-pianarana. Fahita izany eny amin’ny Anjerimanontolo. Araka izany, antony roa eo no mahatonga izany: ny tsy nahazoana toro-lalana sy toro-hevitra mazava amin’ny safidy nataony ilay mpianatra, na izy mihitsy no efa ratsy fototra ara-pahaizana sy fahalalana tany amin’ny sekoly ambany. Amin’ity tranga farany ity, dia azo lazaina ho kisendrasendra ihany no nahaa afa-panadinana ilay mpianatra na ny mpitsara fanadinana ihany koa no manao kitoatoa sy an-tsirambina, fa maika hahavita asa fitsarana sy maim-bola fotsiny ihany. Iaraha-mahita ihany ny fitondrantenan’izy ireo rehefa haka ny “vacation” tamin’ny fitsarana fanadinana nataony, fa tsy ahitana taratra izany maha mpampianatra sy mpanabe azy intsony amin’ny fisisihana sy fifanosehana na fisongonan’olona eo am-pilaharana. Misy lesoka koa ve ny fanabeazana azon’izy ireny nefa asa fampianarana no ataony? Tsy atao hahagaga araka izany koa raha misy lesoka ny fanabeazana azon’ny mpianatra sy tanora.
Na dia efa tara aza, ary maro no lasibatra amin’izany rehetra izany dia mbola fotoana izao hanarenana ny lesoka sy hamahana ny olana maro samihafa. Izay tsy mety anarina ihany sy tsy vonona hiova famindra sy fomba fiasa no tsy misy azo atao aminy. Fatiantoka hoan’ny firenena izany ary fositra tsy mampandroso azy.