Sôh’son
Mikisarin’ireny mpilalao tantara an-tsehatra na théâtre ireny ny fitondrana Rajoelina. Ny mpanao théâtre dia tonga eo amin’ny sehatra na amin’ny toerana iray, dia apetraka sy vononina eo avokoa ny fitaovana sy ny kojakoja rehetra ilaina hanatanterahana ny piesy, na ny tantara holalaovina. Rehefa vita ny tantara nolalaovina, mifarana ny théâtre dia ahorona avokoa ireo fitaovana rehetra nampiasaina ary tsy misy n’inona n’inona intsony avy eo amin’ilay toerana na ilay sehatra. Dia toy izany ny zava-misy tsikaritra tato anatin’izao fitondrana izao.
Natao nalaza tamin’ny haino vaky jery, ohatra, ny fanamboaran-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-6 mianavaratra mankany Antsiranana, taorian’ny nahavitana ny lalana mankany Ramena. Natao nipoapoaka mihitsy ny fanokafana ny lanonana fametrahana ny vato fehizoro notarihan’ny filohan’ny Repoblika. Teo avokoa ireo fitaovana vaventy nambara hampiasaina hamitana ny asa. Nopehana hatramin’ireo fitondrana teo aloha,fa hoe tsy nisy nanamboatra izany lalam-pirenena izany. Iaraha-mahala aloha, fa tsy marina izany filazana izany. Efa ho roa volana anefa izao tsy nanomboka ihany ny asa nidedahana hovitaina. Nambaran’ny olom-pirenena nandalo tamin’izany lalana izany, avy any avaratra izy nandeha niakatra, fa tsy misy n’inona n’inona intsony eo amin’ilay toerana saika hanombohana ny asa. Tsy misy hita ireo fitaovana vaventy samihafa narentirenty tamin’ny sary. Tsy misy afa-tsy ilay vato fehizoro sisa no ao, hoy ilay olom-pirenena. Miandry izany ve ny fanombohana ny asa?
Nahenoina toy izany koa tamin’ny toerana hafa. Mody eo amin’ny fotoana anaovana lanonambe ihany no maresaka dia avy eo misy “fafàna”, fa lasa ny filohan’ny Repoblika. Rehefa dinihina, fanaon’ny fitondrana Rajoelina izany hatrany amin’ny tetezamita. Nampiasain’izy ireo ny zaridainan’Ambohijatovo tamin’ny fiketrehana hanongam-panjakana ny taona 2009. Aty aoriana nosakanan’izy ireo ny fankanesana eny raha haneho hevitra ny olom-pirenena, na ny antoko politika. Ankehitriny aza natao mihitsy ho valan-javaboahary. Nofafana tanteraka tsy ho kianjan’i Demôkrasia.
Toy izay koa ny teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Nampiasain’izy ireo nanaovana hetsika izany na tamin’ny 2009, na tamin’ny fanoherana ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina. Taorian’izay ary mandraka ankehitriny, vao nahazo fitondrana tsy misy mahazo mankeny intsony. Ary maro ny tranga toy izany, ohatra, toy ny hita tamin’ireny fizarana vatsy tsinjo ireny. Mamory vahoaka mifanisika rehefa izy no mitarika azy, fa rehefa ny hafa dia Emmoreg no tonga mialoha amin’ny toerana hanao fisakanana sy ramatahora. Mametraka ao an-tsain’ny olom-pirenena sary ratsy izany, sy manao izay tsy isian’ny fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Mampahatsiahy ny politika maloto nataon’ny mpanjanatany tao amin’ny firenena iray tao Afrika tany amin’ny taona 1958 koa izany. Nofafàny na nopotehiny avokoa izay nataony rehetra rehefa voatery niàla tao amin’ilay firenena izy. Ny amin’izay aloha efa tena lasa lavitra, fa toa iray lalana ihany anefa izany satria any amin’ilay vahoaka no ifatra ny farany.