Fandeferana aotra (0) – Tokony hampiharina amin’ny tranga rehetra mambotry Firenena sy manohintohina ny fiainam-bahoaka

Andry Tsiavalona

Tsy takona hafenina intsony ny tranga tsy mizotra amin’ny làlana tsy azo sainina akory, eo anivon’ny sehatra rehetra manerana ity Nosy ity, noho ny antony maro samihafa. Nanambara ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, fa tsy hisy fandeferana mihitsy manoloana ny tsy fandriampahalemana na “fandeferana aotra (0)”. Toa tsy mahafantatra ny Praiminisitra, fa tsy vao izao no mampikaikaika ny mpiray Firenena ity resaka tsy fandriampahalemana ity. Tsy an-tanàn-dehibe ihany fa hatrany ambanivolo manerana ny Faritra any koa. Raha ny eto an-drenivohitra no asian-teny dia mitangorona eto avokoa ny ankamaroan’ny zandary sy polisy ary ny miaramila, izay tena tomponandraikitra amin’ity resaka ity.

Iaraha-mahalala fa ny zandary dia any ivelan’ny tanàn-dehibe no miantoka izany ary ny polisy kosa dia aty an-tanàn-dehibe. Zary an-kilabao anefa ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, fa ny tomponandraikitra any amin’ny andrimpanjakana rehetra any no ifantohan’ny herin’ny “mpitandro ny filaminana”, ka raha vao misy hetsika heverin’ny mpitondra fa manohintohina ny fiandrianany dia irahiny ireto manao fanamiana misambotra na manaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana amin’ny alàlan’ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy azo lavina, fa misy ny voasambotra ny jiolahy an-tanàn-dehibe fa tokony miketrika fandaminana matipaika hamongorana izany ny mpitondra. Torak’izany koa ny any ambanivohitra rehetra any, ka tsy mahagaga raha mahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, satria azo lazaina fa tsy manana hery sy fitaovana entiny miaro ny vahoaka sy ny fananany ny “mpampandry tany”.

Araka izany dia tsy vitan’ny fanambarana fotsiny ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, fa mitaky fanapariahana ireo singa (éléments) sy fampitaovana azy ireo izay tsy maintsy mifandraika amin’ny toe-javatra misy any an-toerana hametrahana azy ireo izany. Koa na tara aza izany fanapahankevitra noraisin’ny lehiben’ny governemanta momba ny fandriampahalemana izany dia, angamba, hitera-bokatsoa amin’izay. Etsy andaniny dia tsy azo ekena ary tsy tokony hisy fandeferana ihany koa ny tranga fanodinkodinam-bolam-bahoaka. Mivoaka amin’ny tambazotra-tserasera rehetra ny nahatafatsoahan’ny jeneraly Ravelonarivo, Praiminisitra, teo aloha any ivelany. Manaporofo ity toe-draharaha ity, fa mibananaka tanteraka ny sisintan’ity Firenena ity, ka tsy mahagaga raha tafavoaka “antsokosoko” ny vatosoa, volamena sy biby arovana ary hazo sarobidy. Tsy mampino ihany anefa itsy tranga mahavoarohirohy ny Praiminisitra teo aloha itsy, satria nisy koa ny olona mpiray petsapetsa amin’ny fitondrana naterina any ivelany na dia voasaringotra amin’ny fanodinkodinam-bolam-bahoaka aza, ka sao dia navela nitsoaka ihany izy. Tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao sy liana amin’ny toe-draharaha politika rehetra ny tale jeneralin’ny serasera tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika Rinah Rakotomanga. Ny filohan’ity andrimpanjakana ity mihitsy no nitondra azy niaraka taminy, tamin’ny fiaramanidina, nankany Frantsa ary tokony hiasa ao amin’ny masoivohon’i Madagasikara ao Parisy izy amin’izao fotoana izao. Tsy izay ihany fa nanambara ny minisitry ny vola sy ny toekarena ankehitriny, fa nisy fanodinkodinam-bola tao amin’ny tahirimbolam-panjakana kanefa tsy nisy akony izany hatramin’izao. Toe-draharaha mambotry Firenena sady mampahantra ny Malagasy ny fanodinkodinam-bola izay tena mahazo laka tokoa kanefa sarontsaronan’ny mpitondra fotsiny, koa heverina fa anisan’ny tsy azo handeferana mihitsy ka tsy maintsy handraisana fepetra hentitra.

Ny Praiminisitra no lehiben’ny fitantanan-draharaha (chef de l’administration), ka mahafantatra tsara ny momba ny fitantanam-bola any amin’ny departemanta rehetra misy, izay azo inoana fa manana sora-bolany avy. Tsy azo andeferana ihany koa ny tsy fandoavan’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny karaman’ny mpandraharaha ankapobeny sy teknika ary mpampianatra any amin’ny Anjerimanontolo sy any amin’ny sampandraharaha samy hafa any. Ny mahagaga anefa dia ny Praiminisitra indray no mandrahona ireo tsy misitraka ny zony. Araka izany, na inona na inona tranga mambotry ny Firenena, na manohintohina ny fiainam-bahoaka eo amin’ny lafiny rehetra dia tsy maintsy tokony hampiharina ny “fandeferana aotra”.