Rajoelina sy ny forongony – Toa mizotra any amin’ny filavoandefona

Ny Valosoa

Milavo lefona no ilazana ireo mpitsoak’ady sy mivadika amin’ny toky nomeny, ary tsy mahatanteraka ny vava navoakany. Raha ny fahitana ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia toa efa mizotra mankany ny mpitondra sy ireo mpiaradia aminy, voaporofo amin’ny fihetsika sy ny fanambarana ataon’izy ireo izany.

Nampanantena fatratra Ingahy Filoha Rajoelina, fa hiverina alohan’ny 26 Jona 2020 ireo Nosy Malagasy bodoin’ny frantsay, ary niedinedina ery ity filohantsika raha nitafa tamin’ny fahitalavitra frantsay nilaza ny hoe: ‘’ restitution’’ fa tsy ‘’cogestion’’, kanefa nony tonga tany amin’ny pilopitran’ny Firenena Mikambana tamin’ny volana Septambra 2021 dia lahateny mitady fangorahana no nataony, tsy manana hery enti-miady hono isika malagasy, ka mitaky amimpilaminana ny famerenana ireo nosy nambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny 1979 fa antsika Malagasy, fihetsika mampiseho filavoandefona izany.

Vao namely volana vitsivitsy teto amintsika ny aretina koronaviriosy, dia nampiakapeo Ingahy Rajoelina, fa nahita fanafody handresena ny koronaviriosy hono isika malagasy dia ny Cvo izany, ka hitodika aty amintsika hono ny mason’izao tontolo izao, nankalazaina fatratra izany vaovao izany, nandefasana Cvo avokoa ireo firenena afrikana maro, namporisihan’Ingahy Filoha ny vahoaka malagasy hamboly ny artemezia, fa mahavonjy sady ahazoana tombony noho ny mamboly vary hono io artemezia io. Taty aoriana indray rehefa niroso tamin’ny fanaovambakisiny izao tontolo izao iadiana amin’ny koronaviriosy , dia somary nanao teny feno avona ity filohantsika nilaza ny hoe : ny Cvo hono no nahasitrana an’izy mianakavy. Fa raha nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena anefa Ingahy Filoha andro vitsivitsy lasa izay dia tsy tahotra tsy henatra nanentana ny olona hanao vaksiny, endriky ny filavoan-defona izany, ka raha mitohitohy dia mety ho tonga amin’ny filazana mivoaka amin’ny tambazotrantserasera samihafa, izay nilaza hoe efa vita vaksiny tamin’ny 12 Febroary 2021 tany ivelany hono Ingahy Filoha.
Tsy Ingahy filoha irery no milavo lefona, fa tsikaritra ho manao toa azy ireo akaiky azy, anisan’izany Ingahy Tôta Ben’ny tanàna etsy Andoharanofotsy, izay nandray fanapahankevitra tsy handefa ireo mpilalaony hiatrika ny lalao famerenena, izay tokony ho notanterahina tany Angola tamin’ny alahady 24 Oktobra teo, filavoandefona tsotr’izao no ilazana izany , toetsaina tsy mendrika izany raha olona mpitarika .

Fa tsy i Tôta irery, fa Ingahy Ratsirahonana Norbert, ilay nanoratra ny volavolan-dalàna petatoko nasaina neken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenena (HCC) tamin’ny 17 Marsa 2009, nanome fahefana ny filoha ankehitriny nitondra ny tetezamita dia maneho fihetsika filavoandefona raha mandinika ny fanambarana nivoaka ny vavany, tamin’ireo fitsidiham-paritra nataony namelomany ny antoko Avi izay noforoniny. Nambaran’Ingahy Ratsirahonana, fa tsy mahomby hono ny fomba fiasan’ny fitondrana ankehitriny, koa inona ny dikan’izany fa tsy efa milavo lefona amin’ny fiarovana ny fitondrana Rajoelina ny Avi.

Ny vaovao nanaitra tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia tafaporitsaka any Eoropa ny Jeneraly Jean Ravelonarivo, Praiminisitra faharoa notendren’ny Filoha Rajaonarimampianina, ary visa ara-dalàna avy amin’ny manampahefana malagasy no nivoahany teto, marihana fa noampangaina ho mpiray tsikombakomba tamin’ny Tale Jeneralin’ny Cnaps Rabekoto Arizaka Raoul ny Jeneraly Jean Ravelonarivo ary nohelohin’ny fitsarana 5 taona an-tranomaizina sazy mihàtra, miampy ny fandoavana honitra mitentina 6000 tapitrisa Ariary tamin’ny 27 Septambra 2021. Matoa tafaporitsaka niala teto Madagasikara Ingahy Ravelonarivo, ary ny fahazoany visa nosoniavin’ny tompon’andraikitra malagasy dia vakiana fotsiny araky ny fitenin’ny tanora, fa dia tsy manaraka ny baikon’ny mpitondra intsony ireo manampahefana sasany f’efa milavo lefona amin’ny fanarahana an-jambany ireo tian-kano tsy tian-kano ataon’ny filoha, ka sahy mijoro tsotr’izao manohitra baiko.

Rehefa ireo nantenaina hatramin’izay, no mizotra mankany amin’ny filavoandefona dia midika hoe efa managasanga izany ny farany.