Manamboninahitra ao Ampahibe-Betongolo – Manampatra amin’ny miaramila miara-miasa aminy

Niaina

Velon-taraina ny miaramila miasa ao amin’ny toby Ampahibe-Betongolo amin’izao fotoana, fa misy manambonihitra ambony amin’izany toby izany, manampatra fahefana amin’ny miaramila miara-miasa aminy.

Araka ny fitarainana voaray, nanao service militaire na raharaha miaramila ny miaramila iray, saofera sady mécanicien no asany. Niasa tamina manamboninahitra ambony izy, nanao ny asany tsara. Noho izay antony izay, nahazo rengagement izy. Tsy nisy fifanarahana tamin’ny lehibe na kely aza. Indrisy anefa, fa raha vao nandray “rappel”, karama (volana maromaro) izy tamin’ity volana oktobra ity, nisy lehibe naka an-tery ny “rappel” karamany rehetra. NANGAINA NY VADY AMAN-JANANANY noho izany fanamparam-pahefana izany. Nitaraina izy, fa raha hafaliam-po na fisaorana no nalaina tsy olana, fa dia izy rehetra no lasany fotsiny izao tsy nisy teny ierana.

Efa nilaza ny ministry ny fiarovam-pirenena, fa tsy mandefitra amin’ny toe-draharana toy izany, ka tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra ny fanaparam-pahefana ataon’ny lehibe toy izao.