Valanaretina andiany faha-3 na 3è vague – Faritra 16 amin’ny 23 no misy coronavirus eto amintsika

Niaina

Manomboka mitombo indray ny olona voan’ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara, midika izany fa miditra amin’ny andiany faha-3, na 3è vague ity valanaretina ity eto amintsika amin’izao fotoana. Faritra 16 amin’ny 23 dia saika ahitana olona mitondra ny tsimokaretina corona ankehitriny. Raha ny tarehi-marika tamin’ny herinandro teo: 1501 ny tranga vaovao covid-19 tamin’ny fitiliana 8908 natao eran’i Madagaskikara ny 11 ka hatramin’ny 17 desambra 2021 teo, mitsinjara toy izao:
Analamanga: 1138 ;
Vakinankaratra: 143 ;
Matsiatra Ambony: 52 ;
Vatovavy sy Fitovinany: 41 ;
Atsimo Andrefana: 30;
Diana: 20;
Atsimo Atsinanana: 19;
Atsinanana: 17;
Anôsy: 12;
Melaky: 08;
Amoron’i Mania: 07;
Ihorombe: 05;
Itasy: 03;
Boeny: 03;
Menabe: 01;
Betsiboka: 02
107 ireo marary ahitana tranga fahasarotana, 16 no lavon’ny valanaretina tamin’ny herinandro teo iny. 568 no sitrana. Manentana ny rehetra hatrany hanaja ny fepetra sakana ara-pahasalamana, ny elabelana iray metatra, misasa tanana amin’ny rano sy savony matetika, na mampiasa gel misy alikaola, manao arovava sy orona. Entanina koa ny rehetra hanao vaksiny.