Resaka « téléphérique » – Mihantona ny famatsiam-bola hanaovana azy

Efa nitsofan’ny fitondrana mozika ny hoe asiana “téléphérique” hono eto An-tananarivo Renivohitra, izay nambara fa hampihena ny olana misy eo amin’ny fifamoivoizana hono.

Raha hazavaina tsotsotra ny atao ho”téléphérique” dia fitaterana mihantona sy mikorisa amin’ny tady vita amin’ny tariby mate-vina misy rianaratra eny ambony eny, “transport par cable” ihany koa no azo iantsoana azy.

Vola trosaina amin’ny tahirimbola frantsay no hananganana azy io, saingy ny mampihomehy araka ny fiteninjatovo dia toa hihantona indray ny famatsiana ity fitaterana mihantona ity, izay azo inoana fa hihafara amin’ny faharavan’ilay tetik’asa mihitsy.

Tamin’ny 23 Novambra 2021 lasa teo dia nivory ny Antenimierandoholona frantsay nandinika mikasika ny tetibola, loholona 290 no nandatsabato, ka ny 237 dia nitsipaka ny tetibola nisy an’io fananga-nana”téléphérique” eto amintsika io, tamin’ny 14 Desambra 2021 teo indray dia nandefa taratasy fampieritreretana an’ Andriamatoa Bruno Lemaire, Minisitra frantsay miadidy ny Toekarena sy ny Fitantanambola ny Loholona frantsay Pierre Laurent, nambarany tao anatin’ny taratasy, fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka malagasy izay miaina ao anatin’ny fahasahiranana ny 80 isanja-tony, ny fananganana ny “téléphérique”, ny kere izay manjaka any amin’ny faritra atsimo no tokony hijerena vahaolana maika hoy ity loholona frantsay ity.

“Dia ny tena no menatra” hoy ny fitenenana izay mahazo vahana ankehi-triny, isika vahoaka mala-gasy manontolo no tiana ambara eto, mampisitri-belona tokoa satria ireo loholona frantsay indray no mahatsapa ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka malagasy fa ny antsika ireo olomboafidy malagasy dia lavitry ny afo ny kitay amin’ny fitsin-jovana ny fiainambahoaka, ireny niara-nahita ireny ny fankatoavana ny fampindramambola hananganana ny “téléphérique” nataon’ireo solombavambahoaka maro an’isa, toy izany koa ny nafitsok’ireo loholona izay nankasitraka 100 isanjato ilay tetikasa vendrana be. Raha ny fahitana ny fihetsiky ny frantsay dia ho faty ankaranany io tetikasa io, dia hiaraka ho afabaraka na ny fahefana mpanantanteraka na ny fahefana mpanao lalàna, ary tsy afa-miala ihany koa ny fahefana mpitsara dia ry zareo eny Ambohidahy nankatoa izay tsy tokony ho toavina.

Ny tena mahatsikaiky amin’ity tetikasa ity dia ilay fakan-kevitra mody natao, kanefa efa lanin’ ireo fahefana mpanao la-làna ity lazaina fa hakana hevitra, maro ireo fanam-barana mivoaka mana-meloka sy misakana ny fananganana io “téléphérique” io, saingy manao be marenina izy mianakavy tompom-pahefana, kinanjo izao ny frantsay mpandoa-bary mihitsy no midradradradra fa tsy laharam-pahamehana ho antsika malagasy ity fitaterana mihantona sy manao gorisagorisa toa an’i Besorongola ity.

Na dia tsy dia fanaontsika eto amin’ny gazety aza ny mankasitraka ireo vazaha, dia tsy maninona fa ataontsika izany amin’ity indray mitoraka ity, satria noporofoin’ireo loholona frantsay fa ny azy ireo dia ny loha tokoa no misaina, indrisy f’ireto loholona malagasy izay nanaiky ilay tetikasa 100 isanjato dia tsy fantatra intsony ny mendrika iantsoana azy, fa toa …n’olona ireto izy mianakavy.