Andry Tsiavalona
Tena maro tokoa ny atidoha ao amin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Mampiseho ny fahaizany manodinkodina ny sain’ny olona tsy hifantoka amin’ny tranga misy ihany koa ny filohan’ny Repoblika. Iaraha-mahalala mantsy, ho an’ireo mpandeha any amin’ireny toeram-pandihizana ireny, fa raha variana amin-javatra hafa ny mpandihy dia ovain’ny mpampandihy ny lanton’ny mozika hanaitra ny rehetra. Mazava ho azy fa adino ilay nahavariana, ka mifantoka amin’ny haroso indray. Mitovy tsy misy valaka amin’izany no itondran-dRajoelina Andry sy ny ekipany ny fitantanana ny Firenena sy ny fanodinkodinana ny sain’ny vahoaka tsy hifantoka amin’ny tranga iray izay tena misy fiantraikany ratsy, tsy eo amin’ny Firenena ihany fa eo amin’ny fiainan’ny mponina ihany koa.
Tsiahivina, ary tsy tokony hadinoina, ny nataon’ny fitondrana raha vao nisy olona nitondra ny valanaretina covid-19 voalohany. Nanaitra ny mpitondra izay nisaina, fa tsy ho voasakana intsony ny aretina ka tsy maintsy tokony nidina ny sisintany. Tsy noraharahian’ny mpitondra anefa izany, na mbola nisy olona nandrasana ny fiverenany, ka nitohy ihany ny sidina avy any ivelany ka nihàtra ny loza. Navoaka ny didy momba ny hamehana ara-pahasalamana, ka nentin’ny mpitondra nandemy ny saim-bahoaka izay nanakiana mafy tokoa dia nankalazaina fa nahita fanafody mahomby, CVO, niadiana tamin’ny covid-19. Nozaraina maimaimpoana ny “fanafody”, ka tonga hatramin’ny firenena avy atsy Afrika naka ny fanafody ka nitodika taty Madagasikara tokoa ny mason’izao tontolo izao saingy, ny nifanohitra tamin’ny nantenaina ny vokatra, ka nangarika sy naneso ireo neverina nanao komandy.
Tsy tonga irery tokoa ny loza ka namely mafy tany Atsimo ny kere. Nitsoaka tsy azo nosakanana avy any ny ankamaroan’ny mponina ka niazo ny Renivohitra sy ny Avaratry ny Nosy. Manana fahaizana manokana amin’ny fampandriana adrisa ny filohan’ny Repoblika ka nidina tany an-toerana ary nanaratsy ny mpitondra nifandimby ho tsy nanao na inona na inona niatrehana ity loza ity, ka nampandry adrisa ary nanova ny mozika mikorontana ho milantolanto, ka hametraka fantson-drano avy any Avaratra entina manondraka ny tany sy hanomezana rano fisotro madio ho an’ny mponina sy ny biby fiompy. Tsy nampiova na inona na inona teo amin’ny fiainam-bahoaka ny toky nomen’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, ka asa lanton-kira inona indray no homeny ny vahoaka any.
Ny faran’ny taona 2020 dia niseho ny fahafaham-baraka noho ilay volamena 73,5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo. Nataon’ny mpitondra avokoa ny fomba rehetra nialàna tamin’ny ho anisan’ny tomponandraikitra azy amin’ity raharaha ity. Na izany aza dia niezaka nifampiraharaha tamin’ny mpitondra ao Afrika Atsimo ny hamerenana ny volamena, sy ireo gasy telo lahy nitondra izany. Tsy nisy vokany anefa izany herintaona mahery aty aoriana. Harena be an’ny Firenena no very kanefa ny Malagasy no tokony hisitraka izany ary nentin’ny mpitondra nanodina ny saim-bahoaka tsy hifantoka tamin’izany dia nipoitra tampoka ny raharaha Apollo 21. Azo heverina fa ny làlan-tsaina tamin’ity raharaha ity dia ny hoe tsy misy vidiny izany volamena 73,5 kilao izany, raha oharina amin’ny ain’ny filohan’ny Repoblika misy mifofo, ka hoadinoina ilay harena be lasa rano sy ny famotorana momba izany. Tsy niandry ela fa fotoana fohy dia voasambotra ary niakatra fitsarana ireo voampanga ho voasaringotra tamin’ity raharaha ity. Tsy mbola hita ary tsy nahazoana vaovao kosa ny atidoha, na ny dahalo ambony latabatra niketrika ity trafika ity.
Midangana tsy misy fiafarany ny vidim-piainana, ka nanome baiko ny filohan’ny Repoblika fa tsy maintsy nidina izany tao anatin’ny telo andro. Rano natondraka teo ambony lamosin-gisa izany baiko izany, ka mba tsy nifatratra tany amin’ity mpanome baiko ity ny rihitra rehetra dia novainy indray ny baiko ka nanome baiko ny tenany nanafatra sambo roapolo isa hitondra ireo zavatra ilain’ny mponina andavanandro izay hiteraka fidinan’ny vidin’entana. Firy ary izao ny sambo tonga?
Tratra tao Comores indray ny volamena 49 kilao. Gasy roalahy indray no tratra nitondra izany. Ny mahamaika ny mpitondra dia ny famerenana ireo teratany gasy ireo eto an-tanindrazana hatao famotorana. Ny volamena tsy mbola fantatra izay hihafarany. Navily tamin’ny loza hafa indray ny saim-bahoaka ka nisy nanapoaka ny fitaovam-pamokarana rianaratra tao Andekaleka. Araka ny nolazain’ny filohan’ny Repoblika dia efa nisy olona niresaka taminy, hono, ny taona 2018, nangataka vola nentina nanaovana zavatra mitovy amin’ity tranga ity. Tsy nanaiky hono izy kanefa mety misy olona (ao amin’ny fitondrana?) nanaiky dia izao nitranga izao ny loza. Ny loza, hono, tsy tonga irery ary toa misy fifandrifian-javatra amin’ny trafikam-bolamena sy ny tranga misy eo amin’ny fiainan’ny filohan’ny Repoblika manokana, ka tokony hitandrina ihany satria tsy misy, hono, ny “roa” raha tsy misy ny “telo”.