Rivodoza mahery vaika Batsirai – Manatona an’i Madagasikara – Namela takaitra tatsy Maorisy sy La Réunion

Stefa

Namela takaitra sahady tatsy amin’ny Nosy Maorisy sy ny Nosy La Réunion omaly, ilay rivodoza mahery vaika Batsirai. Niakatra be ny ranomasina tany an-toerana, maro ireo hazo tapaka nanimba fananan’olona: nianjera tamin’ny trano sy fiarakodia, nanapaka lalana,…

Rivodoza BATSIRAI : Any amin’ny 130 km avaratry ny Nosy Maurice no misy azy amin’izao. Mahatratra 18km isan’ora ny hafainganam-pandehany, any amin’ny 4ora any no mety hahery ny rivotra entiny. Na izany aza efa nanimba zavatra maro tany amin’ny faritra maro tany an-toerana izy. Eo amin’ny 17 km/ora eo ny fikisahany, arak’izany miha-manatona hatrany ny morontsirak’i Madagasikara izy, tao aorian’ny fandalovany tatsy amin’ireo Nosy rahavavy. Mahery vaika ny rivotra sy ny tafiotra entiny, satria mahatratra 185 Km/ora sy 260 Km/ora.

Tany amin’ny 940 Km atsinanan’Ambila Lemaitso no nisy ny foiben’ilay rivodoza omaly. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy, ka mahafaka 17 Km/ora. Tsy miova ny vinavina, fa manambana ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity, ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vatomandry sy Mananjary ny sabotsy 05 Febroary 2022 atoandro na tolakandro. Tombanana ho rivodoza mahery vaika hatrany izy amin’izay fotoana izay, ka hahatratra 175 Km/ora ny rivotra miaraka aminy. Hamakivaky ny afovoan-tany izy ary tombanana hivoaka an-dranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny alahady 06 Febroary 2022.

Miova ho toy izao ny filazana loza: mampihàtra ny fepetra amin’ny filazana miloko maintso mikasika ny rivodoza ireto Faritra sy Distrika manaraka ireto : ANALANJIROFO, ATSINANANA, ALAOTRA MANGORO, VATOVAVY, FITOVINANY, ATSIMO ATSINANANA, ANALAMANGA, ITASY, BONGOLAVA, VAKINANKARATRA, AMORON’i MANIA, MATSIATRA AMBONY, IHOROMBE, ANTALAHA, MANDRITSARA, TSARATANANA ary TAOLAGNARO.

Entanina manokana ny mponina voakasiky ny fanairana, mba hanaraka akaiky ny fivoaran’ity rivodoza ity. Efa mahazo hery ny varatraza, ka entanina ny mpampiasa ranomasina rehetra amin’ny morontsiraka atsinanana manontolo mba tsy hiandriaka intsony.