Raharaha fitadiavan’ny mpitandro filaminana – Teraka fa tsy miafina i Raissa

Niaina

Teraka fa tsy miafina Raissa, io no nambaran’ny olona akaiky azy sy ny mpisolovava azy, amin’ny fitadiavana ataon’ny mpitandro filaminana ity vehivavy ity.

Teboka nisongadina tao anatin’ny fanambarana nataon’i Maître Rakotonirina Alain, filohan’ny Chambre Nationale des huissiers de Justice et des Commissaires priseurs, vadin’i Razaivola Raissa, izay namoahan’ny Polisim-pirenena filazana fikarohana, sy ny mpisolo vava azy omaly: “Manana vaovao sy porofo momba ny olona maromaro manao zavatra tsy mety eto amin’ny firenena izy ireo, ka manao ny fomba rehetra ireo voakasika iarovany tena ary manao izao fanenjehana izao. Tsy nitsoaka ivelan’i Madagasikara i Raissa Razaivola, fa vao teraka any amin’ny toeram-pitsaboana iray. Vonona hiatrika ny mpanao famotorana izy, saingy mangataka izy ireo ny hanajana ny zon’ny vehivavy vao terabao. Fikasana hamono lehilahy 25 taona no anenjehana azy. Tsy mitombina velively izany, vehivavy bevohoka be ve hahavita izany amin’ny lehilahy matanjaka be”, hoy ny fanambarana.

Anisan’ny raharaha mety mahatafiditra ity vehivavy ity, ny feon’ny ministry ny fitsarana Imbiky Herilaza miparitaka be amin’ny facebook amin’izao fotoana, eo koa ny raharaha hafa,… Mety mahatonga izao antsojay atao aminy izao.