Vehivavy Vonona Sahy Diaspora (VVSD) – Nanome fanampiana traboina miisa 500

Helisoa

Mahatsiaro ny mpiray tanindrazana aminy ny Fikambanana mpanao asa soa any ampitandranomasina VVSD: Vehivavy Vonona Sahy Diaspora manerantany, amin’ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana, vokatry ny loza voajanahary rivodoza sy ny takaitra navelany teto amin’ny firenena.

Nisy araka izany ny voin-kava-mahatratra fanampiana araka izay voatsirambin’ny tanany, nentin’izy ireo ho an’ny traboina miisa 500 teto Antananarivo Renivohitra, ka ny 250 tamin’izy ireo teny amin’ny fokontany Anjezika Andavamamba sy teny Andohatapena ka akaikin’ny gara Maki. Manaraka izany, nisy ny antso nataon’ny Vehivavy TIM noho ny fisian’ireo Vehivavy TIM traboina, ka 250 ihany koa no nisitraka izany tao amin’ny QG Bel’Air.

Araka ny maha mpanao asa soa ny fikambanana VVSD dia nilaza izy ireo, fa santatra ambavarano ihany no nataony, fa mbola hitohy ny ezaka hanampiana ny Malagasy tratry ny fahasahiranana. Ny vehivavy TIM dia nisaotra ny fikambanana VVSD, noho ny fanampiana fitsinjovana ny mpiray tanindrazana aminy tamin’ny fanampiana izay nataony, satria na any an-tany lavitra aza izy ireo dia tsy manadino ny mpiray tanindrazana aty an-toerana.