Isambilo
Tsy laharam-pahamehana ny fanaovana teleferika eto Antananarivo, hoy ny depioten’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa, izay sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena any Fianarantsoa, avy amin’ny IRD. Zarao amin’ireo distrika miisa 119 eto Madagasikara izany hoy ity olom-boafidy ity, dia ny ambiny homena an’Antananarivo amin’ny maha renivohitr’i Madagasikara azy. Toy izao ny fanambarany mahakasika izany: “Izaho dia solombavambahoaka manamafy, fa tsy laharam-pahamehana ny fametrahana teleferika eto Antananarivo. Any aoriana izany vao mety ilaina, ny maika izao dia ny hampifandraisana ny distrika manerana ny Nosy. Jereo izao ny manjo ny distrikan’Ikongo misy anay, tsy misy mpijery, satria tapaka ny lalana.”
Nisy ny tatitra nataony tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai farany teo:”Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai izay nanimba fotodrafitrasa maro sy namoizana mpiray tanindrazana maro dia miombona sy miray fo amin’ny malagasy rehetra izay mandalo fotoan-tsarotra amin’izao ny tenako. Mankahery ireo marary ary miombom-pahoriana amin’ireo izay namoy havana aman-tsakaiza. Amin’ny fotoan-tsarotra toy izao no tokony hanehoana ny fifankatiavana, ny firaisankina ary ny fihavanana malagasy. Ho singaniko manokana eto ny voina nahazo an’Ikongo izay Distrika nahavoafidy ahy. Isan’ny niaina nivantana ny fandalovanan’ny rivodoza Batsiraï ny distrikan’Ikongo ary maro dia maro, goavana dia goavana ny fahavoazana tamin’izany. Namela takaitra lehibe ity rivodoza ity, satria maro ny trano sy biraom-panjakana simba sy rava, betsaka ny traboina sy namoy aina.
Hatreto aloha, miisa 96 ireo namoy ny ainy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai tao Ikongo. Toy izao ny isan’ny maty isaky ny kaominina raha ny voaray hatreto:
– CU Ikongo : 08 ;
– CR Ankarimbelo : 44 ;
– CR Antodinga : 30 ;
– CR Tanakamba : 09 ;
– CR Ambatofotsy : 02 ;
– CR Ambinanitromby : 01 ;
– CR Sahalanona : 01 ;
– CR Manampatrana : 01.
Mbola mitohy anefa ny fikarohana ireo olona tototry ny trano fonenany ao amin’ireo fokontany maro mandrafitra ny Distrika, indrindra ny ao amin’ny fokontany Faliarivo sy Antanambao, CR Ankarimbelo. Mbola ahiana hitombo ny isan’ny olona maty arak’izany. Betsaka ny trano rava ary izany faharavana izany, no isany nitondra fahafatesana ho an’ireo mponina ao Ikongo. Mankahery manokana ny fianakaviana ary miombona alahelo aminareo ny tenako.
Tsara ny manamarika fa ireo antontan’isa ireo dia azo noho ny angom-baovao avy amin’ireo Assistants Parlementaires, ben’ny tanàna ary ireo sefo Fokontany any an-toerana. Mbola mifandray tsy tapaka amin’izy ireo ny tenako hahafahana mahazo ireo isa marina sy hahafahana mandray ireo fepetra ilaina amin’ny fifanampiana. Betsaka ihany koa ireo traboina ankehitriny, izay very fananana ary tsy manana afa-tsy akanjo eny an-koditra. Tsy misy atao sakafo ary tsy misy tahiry afaka ampiasaina, tsy manana trano hialofana. Efa nanaovana tatitra amin’ny ambaratongam-pahefana mahefa avokoa ny zava-misy sy ny fahavoazana any an-toerana. Dibo-drano sy mitoka-monina tanteraka ny Distrika ankehitriny ary misedra ny mafy ny vahoaka. Efa nisy ny vonjy rano vaky izay natao, fa tsy ampy anefa izany manoloana ny fahavoazana lehibe nanjo ny Distrika. Miantso ny vahoaka malagasy hiray hina ary hifanampy amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mampitraka ireo fianakaviana mandalo fahoriana ary mankahery hatrany ireo traboina”.
Tapaka avokoa amin’izao fotoana na ny lalana, na ny lalamby mankany Ikongo, tena sahirana arak’izany ny mponina.