Andry Tsiavalona
Tsy misy fitsaharany ny fahafaham-baraka mahazo ny mpitondra eto amin’ity Firenena ity, tsy vao izao ihany fa nanomboka tamin’ny tetezamita. Tsy mahagaga izany satria ny mpitondra tamin’izany ihany no mpitondra ankehitriny, ka izay nataony taloha ihany no haveriny amin’izao fotoana izao. Fahafaham-baraka no nahazo an-dRajoelina Andry rehefa nomen’ny iraisam-pirenena ilay mpamari-toetra ho « personne sans qualité ». Fahafaham-baraka teo amin’ny lafiny diplomasia no azo ilazàna izany.
Tamin’izany fotoana izany koa no nahatratrarana ny bolabolan’andramena telonjato taonina tatsy Comores. Tsy mbola mazava aloha hatramin’izao izay niafaran’iny raharaha iny kanefa dia ny praiminisitra tamin’ny fotoana mihitsy no nandeha tany. Na ny mpirina na ny nanondrana aza tsy fantatra mandrak’ity ny androany. Sao heverina fa tsy fahafaham-baraka koa ny nitakian’ny fitondrana tetezamita vola zato sa roanjato tapitrisa dolara tamin’ny orinasa Wisco izay nitrandraka ny vy tany Soalala. Tsy nisy fampandrosoana natao teo amin’ny sehatra rehetra anefa tany amin’iny Distrika iny ary anisan’izay faritra azo lazaina fa mbola mitoka-monina hatramin’ízao. Ny vola azo tamin’izany no hireharehan-dRajoelina Andry fa nahavita zavatra na dia tsy nisy fanampiana avy any ivelany aza.
Rehefa mba nankalaza ny fetim-pirenena ny tetezamita, ny taona 2010 dia “fiandrianam-pirenena” sy “hambompom-pirenena” no teny filamatra. Nahamenatra anefa satria tao anatin’ny rano maloton’Anosy no natsikafona ny sainam-pirenena nolokoina tamin’ny baolina mitsingevana. Tsy azo hadinoina ihany koa ny nahatrarana vola amina miliara ariary tao anaty baoritra nentina solombavambahoaka iray ary nampiteny ratsy solombavambahoaka mpiray antoko taminy satria tsy najaina, hono, ny “immunité parlementaire”. Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha satria maizina tanteraka ny làlana nomban’izany vola izany.
Nahazo fahefana noho ny lalàna tsy azo ivalozana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana Rajoelina Andry kanefa dia afa-baraka tanteraka rehefa novakian’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana bantsilana ny raharaha “doublons”. Raha ity toe-draharaha ity no dinihana lalina dia tokony niteraka fanetrentenan’ny mpitondra izany kanefa dia ny mifanohitra amin’izany ny fihetsiny, ka manao izay tiany atao izy eo amin’ny sehatra rehetra.
Fahafaham-baraka ny nahatrarana ny volamena 73,5 kilao tatsy Afrika Atsimo ny fiandohan’ny taona 2021 ary nogiazan’ny mpitondra any ny harem-pirenena malagasy. Tsy azo hodian-tsy hita ny resaka CVO izay nolazain’ny filohan’ny Repoblika fa hany fanafody nahasitrana azy sy ny fianakaviany fa tsy mila vaksiny izy kanefa dia vaky bantsilana ihany koa tamin’ny diany namonjy ny fivoriamben’ny Firenena Mikambana fa efa vita vaksiny izy ny volana febroary 2021. Nahazo vola efa ho miliara dolara ny mpitondra nanampiana tamin’ny valanaretina covid-19, ka notakian’ny mpiara-miombon’antoka ny tatitra momba ny nandaniana izany nialohan’ny faran’ny taona teo. Fahafaham-baraka tsy eto an-toerana ihany ity raharaha ity fa hatrany ivelany, ka tsy mahatoky izao fitondrana izao koa ny vondrona iraisam-pirenena. Ny tena manahirana amin’izao fitondrana izao dia ny tsy fahaizan’izy rehetra mifanitsy amin’izay tsy mety sy miteraka fahafaham-baraka, ka asa na fanahy iniana na dia avela hijabaka ny “namana”, na tsy fananana traikefa manoloana ny tranga mihitsy, ka jamba mifampitantana izy rehetra ka izao migorisa moramora any an-kady izao. Azo heverina fa tsy hitsahatra eo ny fibolisarana satria malama maina ny tany ary tsy takona hafenina ihany koa fa samy mitarika ho lo toy ny lehibem-bomanga.
Mbola fahafaham-barakan-dRajoelina koa tamin’ilay hoe hanamboatra gymnase ho an’ireo traboina nefa ny tranon’olona ravan’ny cyclone tsy hita izay fanamboarana azy. Toa milaza hoe rehefa manadalo indray ny cyclone manaraka dia ao ianareo no homena fialofana.