Andry Tsiavalona
Iaraha-mahatadidy ny fanambaran’ny filohan’ny Repoblika Rajoelina tany Toliara, tamin’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, tamin’ny naha-kandidà azy ho filohan’ny Repoblika, ka nilazany fa efa in-dimy izy no tompondaka tamin’ny taranja “karate”. Tsy mbola misy porofo entina hanamarinana izany, nefa toa manaporofo izany ny fihetsiny, na talohan’ny fifidianana, na amin’izao izy filohan’ny Repoblika izao. Mbola tsy vita tokoa ny fifidianana dia efa nanambara izy fa “tsy maintsy lany”, ary dia lany tokoa izy, ary tsy ho resahina na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny alàlan’ny inona. Ny fanamby napetrany voalohany dia ny hanangana sy hanorina izay tsy vitan’ireo filoha nifandimby teto amin’ity Nosy ity nandritra ny enimpolo taona, izany hoe taorian’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena.
Angamba tsy fantatry ny filohan’ny Repoblika, fa tsy toy ny fanatanjahantenan’olon-tokana (sport individuel) ny fitondrana ny Firenena, fa asan’ny ekipa iray, sy fiaraha-miasan’ny andrim-panjakana mijoro sy ireo rafitra isan’ambaratongam-pitantanana. Tsapa avy amin’ny toetsaina sy hetsika ataon’ny filohan’ny Repoblika, fa mihevitena ho mahavita mitantanana ity Firenena ity samirery izy. Vao tonga teo amin’ny fitondrana ity tompondaka ity dia efa nanisy sira valala teny an-danitra, ka nidehaka fa efa teo am-pelatànany sahady ny amboara ka izy no hanampy an’i Comores sy ny firenena manodidina eto amin’ny Ranomasibe Indiana. Tsy mbola manana na inona na inona akory entina mampandroso ara-toekarena ny Firenena dia efa milaza, nilaza fa tompondaka eran-tany, ka nanimbazimba ny mpiara-miombon’antoka (PTF). Noho ny tandrametaka sy fiheveran-tena ho maozatra noho ny maozatra eto amin’ity planeta ity, ka nilaza ny mpitondra tenin’ny governemanta fa tsy mafy noho ny kolerà sy pesta ny valanaretina covid-19, izay namono olona an-tapitrisa tany amin’ny firenena any Azia, Eoropa sy Afrika ary Amerika.
Nirehaka ihany koa fa nanana ny fitaovana enti-miady manara-penitra, kanjo niaraha-nahita ny vokatr’izany. Namoaka ny lalàna nampihàtra ny “hamehana ara-pahasalamana”, ka voatery niantso vonjy tamin’ny mpiara-miombon’antoka na dia teo aza ny vava tsy ambina. Tsy nahazo ny titra ho tompondaka tamin’ity ady ity kanefa dia nanalabaraka ny nampiasana ny vola azo, ka notakian’ny mpanampy ny fanamarinana ny fomba nandaniana izany. Nanampy trotraka ihany koa ny Fitsarana ny Kaonty (Cour des Comptes) kanefa dia mbola nampiseho ny maha tompondaka azy indray ny filohan’ny Repoblika kanefa heverina fa ho “disqualifié” izy araka izany.
Izao toe-javatra misy izao tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe: “ny loza tsy tonga irery”, satria tsy mbola resy ny valanaretina dia nandravarava indray ny rivodoza nifanesy. Nandeha irery aloha ny “tompondaka” tamin’ny fanampiana voalohany ireo traboina satria tsy vitan’ny tranga lela ny fizarana vary masaka sy laoka, ka tsy maintsy naniraka ny ekipa hidina ifotony avy eo, satria tsy resiny samy irery ny nifanandrina taminy. Tonga ny “vatsy” isan-karazany nozaraina tamin’ny traboina kanefa dia mbola tsy takona nafenina indray fa tompondaka amin’ny fanodinkodinana ny fanampiana avy any ivelany ny mpitondra amin’ny ankapobeny, satria dia misy ampahany amin’izany hamidy amin’ny Malagasy satria, hono, tsy azo zaraina omena maimaimpoana ny vahoaka, fa mba asaina mandray anjara kely kanefa mandeha aiza ny vola azo avy amin’ny vidin’ireny fanampiana ireny?
Raha fehezina ireo tranga rehetra ireo dia tena tompondaka amin’ny fanitsakitsahana lalàna sy fitsipika ary tompondaka ihany koa eo amin’ny fampisangodirana ny fomba fiasa, ka tsy voafaritra intsony iza no manao inona ary iza no tomponandraikitra amin’ny fiatrehana ny tranga tsirairay. Ny mampanahy eto amin’ity Firenena ity anefa dia ireo rafitra mpitsara ny raharaha toy ireo voatanisa etsy ambony ireo dia toa tsy sahy mitsara araka ny lalàna sy ny fahamarinana ny zava-doza mambotry ity Firenena ity.