Skoto eto Madagasikara – Maniry ho mpanara-maso amin’ny fotoam-pifidianana

Beharo

Fotoam-pankalazana lehibe ho an’ny skoto maneran-tany ny andron’ny talata 22febroary lasa teo iny, fotoam-pahatsiarovana ny nahaterahan’ i Baden Powell mpanorina ny skoto, izay tsy nanadinoan’ny firaisan’ny skotisma malagasy ny anjarany ihany koa. Maro ireo Raibe, Renibe, zokiolona efa nanao izany fahiny, ka nilaza am-pahatsorana fa be ny tombontsoa azo, eo amin’ ny ara-batana, ara-tsaina, ara-panahy, sy ny maro hafa eny amin’ny fiaraha- monina samihafa eny.

Nilaza izy ireo, tily, antily, kiady, mpanazava tamin’ny taona 60, fa mitohy hatrany ny asa sy fiaraha-miasa, mba maniry izy ireo fa amin’ny fotoam-pifidianana 2023, moa ve tsy tsara raha ireo skoto no atao mpanara-maso ny birao isanisany, miara-miasa amin’ny CENI? Ny fokontany iray hoy izy ireo dia misy tempoly, eglizy, fiangonana samihafa izay ahitana sampana skoto hatrany, ka azo inoana fa afaka hiara-hiasa amin’ ny olon’ny fokontany ihany koa sy ny biraom-pifidianana misy amin’izany fotoana. Ny Vavy antitra iray mpanazava fahiny aza moa dia nilaza nandroso hevitra manao hoe: maninona raha haverina manontolo ny fanisam-bahoaka mpifidy, dia ankinina amin’ireo skoto efa ho 40.000 mahery manerana ny firenena sy mitsinjara manerana ny fokontany marobe ihany koa, izay azo antoka tsara eo amin’ny tontolo manodidina. Anisan’ny vaha-olana io nolazainy io, satria raha ety Ambatofotsy-Avaratra no misy anay ohatra hoy izy, dia ny skoto avy amin’ny Ecar, Fjkm, Flm ety an-toerana no afaka hanao ny fanisana amin’ny fomba marina, malaky, sy miandraikitra ny lalao rehetra toy ny ataon’ny mpitsara lalaom-panatanjahantena.