Malaza eran-tany – Vaovao farany momba ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine

Isambilo

Raha ny vaovao farany momba ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine, izay malaza eran-tany amin’izao fotoana, miantso ny fitondrana Malagasy hanameloka an’i Rosia koa ny masoivohon’ireo firenena monina sy miasa eto amintsika.

Nivory omaly ny solontenan’ireo firenen-dehibe monina sy miasa eto amintsika dia i Allemagne, Corée Atsimo, Etazonia, Frantsa, Japon, Norvège, Royaume-Uni, Suisse, ny Vondrona Eôrôpena, Tiorkia ary nanolotra ny ministry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Patrick Rajoelina, ny fehin-kevitra iraisana manoloana ny fanafihan’i Rosia an’i Ukraine. Ao anatin’izany, mamporisika an’i Madagasikara izy ireo, hanameloka ny fananiham-bohitra ataon’i Rosiana, tahaka ny efa nataon’ireo firenena Afrikana hafa toa an’i Gabon, Ghana ary Kenya. Tokony hanatsahatra tsy misy hatakandro ny herisetra sy ny fampidirana ny tafika any Ukranie i Rosia hoy ny fanambarana, satria izao tontolo izao no miara-mizaka ny vokatr’izao ady izao. Hanaraka izay fanambarana nataon’ny firenena vahiny eto amintsika izay ve ny fitondrana Rajoelina?

Raha ny valiny dia sarotra inoana izany, satria vao tsy ela izay no tany Rosia ny ministry ny fiarovam-pirenena Malagasy ny jeneraly Rakotonirina Leon Richard, tsy nisy nipika ny diany tany. Midika izany fa tsara ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny any Moscou, ka ho sarotra amin-dRajoelina sy ny forongony ny hanameloka ny Rosiana izany. Mety ho hiantraikan’ny tery vay manta ataon’ny iraisam-pirenena amin’i Rosia izao koa isika raha izay no zava-misy: kenda ny toekarena Rosiana, kenda koa izy ireo amin’ny fifanakalozana ara-bola iraisam-pirenena, ka ireo firenena hanohana ny any Moscou dia ho tratran’izay tery vay mantan’ny iraisam-pirenena izay koa.

Momba ny raharaha any an-tanim-piadiana kosa eo amin’ny tafiky ny fitondrana any Moscou sy any Kiev, nanao fanambarana tamin’ny fahitalavitra ny mpitondra tenin’ny ministeran’ny fiarovana Rosiana omaly, fa “AFAKA MIALA AN-KALALAHANA AO KIEV IREO SIVILY”. Namafisin’ity mpitondra teny ity ihany koa, fa voafehin’izy ireo ny habakabaka ao Ukraine, 5 andro nanombohan’ny fanafihana. Ankoatra izany, nijanona aloha ny tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina na “couvre-feu” tao Kiev manoloana ny hisian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpifanandrina. Efa tsy dia naharenesana fipoahana intsony hatramin’ny omaly maraina. Nilaza ny etamazaoron’ny tafika ao Ukraine, fa somary nanalefaka ny daroka baomba nataony i Rosia, saingy mbola mikendry kosa, hamotika ireo faritra stratejika maromaro any Ukraine.

Ankilan’izay, nilaza ho efa vonona handray ny fifanantonan’i Rosia sy i Ukraine, tokony ho nanomboka omaly i Bielorosia. Eo anelanelan’ny sisintanin’i Ukraine sy i Bielorosia, no neverina hanaovana izay fifampiresahana amin’i Moscou sy i Kiev izay, ao Gomel, faritra tsy lavitra ny misy an’i Tchernobyl, foibe nokleary nipoaka tamin’ny fotoan’androny. Araka ny vaovao farany dia raikitra izay fifanatonana teo amin’ny Rosiana sy ny Ukrainiana izay, tany amin’ny sisintany iraisan’I Ukraine sy Bielorosia, ka ho hita eo ny tohiny.

Omaly tamin’ny 15h GMT, tamin’ny 18h teto Madagasikara koa, no noresahana indray nandritra ny fivoriana maika tsy ara-potoanan’ny Firenena Mikambana (ONU) i Rosia. Nandray anjara ireo firenena 193 mpikambana ao amin’ny ONU. Tanjona tao anatin’izany ny hiantsoana ireo firenena mpikambana, mba hanohana ny demokrasia sy ny fiandrianan’i Ukraine ao anatin’izao fanafihan’ny Rosiana izao. Momba ity raharaha ity, nilaza hanampy ara-pitaovam-piadiana an’i Ukraine i Alemaina, nampitombo ny tetibola natokana amin’ny fitaovam-piadiana noho izany ny fitondrana any Berlin tarihan’ny chancellier Olaf Scholz. Toy izany koa ny Vondrona Eôrôpena, nilaza ny filoha lefitry ny Vondrona Eôrôpena Josep Borrell, fa hanampy ara-pitaovam-piadiana, sy hanome fanafody an’ny fitondrana any Kiev koa ny any Bruxelles. Tantara mitohy ity adin’ny mpirahalahy tao amin’ny Firaisana Sôvietika teo aloha ity, ka ho harahantsika eo ihany ny ho tohiny, efa nisy na izany na tsy izany ny fifampidinihana omaly.