Mbola Rajaonah – Tsy rariny ary tsy ara-dalàna ny mbola fanagadrana azy any Tsiafahy

Isambilo

Raharaha Mbola Rajaonah, nitondra fanazavana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray iray ny mpisolo vava azy, Maître Eric Rafidison, tamin’ity herinandro ity.

Mbola Rajaonah dia mpandraharaha ary efa mpanolotsaina manokan’ny Filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, nosamborina ary notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy nanomboka 14 febroary 2019 ka hatramin’izao, izany hoe efa 3 taona mahery. Nanambara ny mpisolovava azy fa: “3 taona sy tapa-bolana no nitazonana an’i Mbola Rajaonah teny Tsiafahy. Nefa raha ny lalàna dia ny olona voaheloky ny Fitsarana sady voamarina fa olona nanao heloka bevava no tazonina eny. Tsy mbola nisy fitsarana na didim-pitsarana nivoaka momba azy hatramin’izao, fa havezivezy eny amin’ny Fitsarana ny dosie. Hatao antsojay izy, satria tonga mitsidika azy tsy indray mandeha fa mihoatra, ny tompon’andraikitra ao amin’ny fampanoavana ambony maka sary azy nefa manana ny zony ny voafonja ary raharaha any amin’ny PAC (Pôle Anti-Corruption), no nitazonana azy, fa tsy an’ny Fitsarana Anosy. Mbola tsy nisy rahateo ny didim-pitsarana nanameloka azy”.

Raha nahazo fahafahana vonjimaika ny olona arovany tamin’ny 22 janoary 2020 tamin’ny 4 ora nefa tamin’ny 7 ora ny androtr’io dia nahazo baiko hamerina azy am-ponja amin’ny raharaha iray io ihany. Resaka taratasy tsy misy anto-bola izay efa nanafahan’ny Fitsarana azy sy fandikan-dalàna tany amin’ny fadin-tseranana no anisan’ny anenjehana azy, ka raha io resaka fadin-tseranana io dia herintaona raha be indrindra ny sazy fa tsy 3 taona. Giazana ny kaontin’izy sy ny vadiny kanefa ny vadiny dia efa nanana ny asany manokana tsy nisy ifandraisana aminy.

Misy aretina amin’ny fo izy, aretina efa nahazo azy tany aloha, izay nihetsika matetika ary saika nitarika ny fahafatesany raha tsy voavonjy tamin’ny septembra 2021. Noho io toe-pahasalamany io, fa tsy resaka tombontsoa manokana, dia nafindra tao amin’ny efitranon’ny infirmier major ny tenany ary arahi-maso akaiky ao ny resaka oxygène sy ny fanasiana sérum. Nohamafisin’ny CNIDH, fikambanana mpiaro ny zon’olombelona izany, rehefa nitsidika tany ny solontenan’izy ireo. Efa nisy koa ny fikasan’ny mpiray fonja taminy teo aloha hamono azy ka nahatonga ny famindrana. “Tsy mitady “évacuation sanitaire” izany izy, fa fizahana manokana ahafahany mitsabo ny tenany no angatahiny, nanaiky ny PAC izay miandraikitra ny raharaha, fa ny fampanoavana ambony no nitsipaka ary tsy vitan’izay fa mbola nampiana hoe : averina any amin’ny “geôle” izy fa tsy ao amin’ny infirmier major. Raha ny tokony ho izy anefa dia rehefa eken’ny PAC dia azo tanterahina satria samy manana ny “juridiction” iasany ireo fa tsy mifampijabaka”, hoy ihany i Maître Eric Rafidison.”

Hatreto izany dia tsy nisy didim-pitsarana nanameloka azy, noho izany tsy mbola azo lazaina ho olo-meloka izy, fa mbola voarohirohy, ary misitraka ilay présomption d’innocence nefa notazonina 3 taona mahery amina “maison de forces”. Mangataka araka izany ny mpisolo vava azy mba halefa amin’izay ny Fitsarana ahitana ny tena marina momba azy.
“Nasaina nanao taratasy fanekena hoe tsy hanao politika intsony tahaka an’i Berija sy Rolly Mercia, izay samy voatazona eny Antanimora koa i Mbola Rajaonah. Izy rahateo efa tsy manana eritreritra hanao izany”, hoy ihany ity mpisolovava an’i Mbola Rajaonah ity.