Mpitondra manaotao foana – Tsy mitsahatra mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao

Andry Tsiavalona

Mitohy mitodika tsy misy fitsaharany aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Nanomboka tamin’ny nidiran’ny covid-19 teto ka nanambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa hanavotra izao tontolo izao tamin’ity valanaretina ity ny manam-pahaizana mpikaroka Malagasy eo amin’ny sehatry ny zava-maniry, noho ny nahitàny fanafody nentina miady amin’ity valanaretina ity. Namafisin’ny “mpaminany vavy breziliana” ity moa izany fahitàn’ny mpitondra izany, ka nihazakazaka ireo firenena afrikana vitsivitsy, tratry ny covid-19, mba naka ny CVO izay neveriny fa tena hanavotra ny mpiray tanindrazana aminy tokoa. Niaraha-nahalala fa nitodi-damosina an’i Madagasikara ireto firenena ireto satria tsy nisy vokany araka ny nantenainy ilay fanafody “mahagaga” nambaran’ilay mpisandoka ho “mpaminany”.

Ny niandohan’ny taona 2021 indray dia nisy ny volamena 73, 5 kilao tratra tatsy Afrika Atsimo niaraka tamin’ny vola vahiny. Nitodika taty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao noho ity raharaha ity satria narirarira ny tena nihavian’izany volamena izany. Tsy mbola naverin’ny fitondrana Afrikana Tatsimo eto, na ny volamena na ireo gasy telo lahy nitondra izany na dia niezaka nifampiraharaha tamin’ny mpitondra ao Afrika Atsimo aza ny mpitondra malagasy.

Marina fa tsy vao tamin’ny taona 2021 ihany no nisy ny kere any Atsimon’ny Nosy kanefa dia tena nampitodika ny mason’izao tontolo izao ny tamin’iny taona iny satria dia amin’arivony no nifindra monina aty faritra Avaratra kanefa dia azo lazaina fa nanao vy very ny ainy ireny olona ireny. Tsy nijery fotsiny ny vondrona iraisam-pirenena, fa nanampy kanefa dia izy ireo ihany no nitantanana izany noho ny tsy fahatokisany ny mpitondra.

Niantso vonjy tamin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fitondrana Rajoelina Andry noho ny fihanaky ny valanaretina ary dia nahazo manakaiky ny iray miliara dolara no azon’ny mpitondra. Nitaky ny nanaovana fanamarinana (audit) ny nampiasana izany fanampiana izany ireo mpiara-miombon’antoka, ka dia nitodika taty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao, satria taridrano an-kilaila, ka ny very no betsaka, no nanaovan’ny mpitondra malagasy ny fanampiana.

Tsy ilaina ny miresaka ny fahafaham-baraka noho ny zava-mahamenatr’olona nataon’ny ministry ny serasera sy ny vadiny izay fantatry ny rehetra tsy teto an-toerana ihany, fa hatrany ivelany koa.

Tsy ny mason’izao tontolo izao no nitodika taty Madagasikara fa ny firenena 140 izay nanameloka ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosiana any Ukraine, noho ny nangalan’ny fitondrana malagasy ny toerana tsy fombana ny atsy na ny aroa, izay azo inoana fa hisy fiantraikany amin’ny fifandraisana eo amin’ny Eoropeana sy Amerikana amin’i Madagasikara.

Nitodika taty Madagasikara ihany koa ny mason’izao tontolo izao ny faran’ny herinandro teo satria efa niparitaka tany amin’ny tambazotra sy ny fampahalalam-baovao, fa tokony nisy ny fanovàna ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Niandry ny rehetra kanjo, tsy nisy izany fanovàna izany ary nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera fa misy minisitra midongy toerana araka ny fanambaran’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarmariam-pirenena. Tsy mbola nisy tranga toy izany manerana izao tontolo izao, ka dia azo antoka fa mifantoka amin’ity raharaha ity daholo ny any ivelany. Ny manahirana dia inona loatra no mampifamatotra ireto olom-boatendry ireto amin’ny mpanendry azy, Rajoelina Andry, ka tsy ahafahan’ity farany mandray fanapahan-kevitra matotra sy hentitra.

Tsy izay ihany fa toa jamba, marenina sy maty ny taovam-pitsapana ary ny fanamboloan’ny filohan’ny Repoblika, ka voafetra tanteraka izy amin’ny fanaovana tombam-pahombiazan’ireo minisitra notendreny. Mirazotra amin’ity raharaha governemanta ity ny fanamelohan’ny Federasiona Iraisam-pirenen’ny “pétanque” noho ny tsy nahaloavan’i Madagasikara ny trosa nataony nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Espaina. Azo antoka fa tsy hitsahatra ny hitodika aty amin’ity firenena mahantra indrindra maneran-tany ity ny mason’izao tontolo izao, noho ny tranga mbola hiseho eo amin’ny sehatra rehetra.