Lalina loatra ny fahantrana eto amintsika – Malagasy miisa 55 tratra saika hiditra antsokosoko tany Mayotte

Niaina

Lalina loatra ny fahantrana misy eto amin’ny firenena, ka tsy vitsy ireo Malagasy te hifindra monina any ivelany, hialany amin’izay fahasahiranana izay.

Tany Mayotte omaly, Malagasy miisa 55 no tratran’ny mpiandry sisintany Mahore saika hiditra antsokosoko tany an-toerana. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny olona nitondra azy tamin’ny lakana araka ny filazan’ny Préfet an’i Mayotte. Tsy maintsy haverina aty Madagasikara izy ireo.