Fahalalahan’ny asan-gazety sy fanehoan-kevitra – Avereno ny MBS ao amin’ireo televiziôna satelita

Andry Tsiavalona

13 taona androany, 17 martsa, ny tranga mamoafady izay nanaovan’izao mpitondra tarihan-dRajoelina Andry izao, ny fanonganam-panjakana. Maro amin’ireo niara-dia tamin’izany no mbola manamafy fa tsy fanonganam-panjakana no nisy satria, hono, ny Filoham-pirenena no nametra-pialàna ary nampita ny fahefany tamin’ny fitondrana miaramila (Directoire Militaire). Raha ny voarakitra tao amin’ny Lalàmpanorenana tamin’izany tokoa dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona no tokony nampitàna ny fahefana. Na tiana na tsy tiana anefa dia nanamafy ny fisian’ny fanonganana ny Kolonely mpiara-mibaiko ny FIS tamin’izany, fa efa nanomboka ny janoary 2009 no nanomanan-dRajoelina Andry sy politisiana maro ny fanonganana.

Iaraha-mahatadidy ihany koa ny nanerena ireo jeneraly 4 nampita ny fahefana nomena azy tamin-dRajoelina Andry teny Soanierana. Azo lazaina fa niamboho adidy ireo jeneraly ireo satria nampitaina tamin’izy ireo ny fahefana, ka tokony ho noraisiny kanefa moa teo ny tsindry nahazo azy ka, angamba, “aleo maty rahampitso toy izay androany”, araka ny fitenenana dia aleo nanaiky ny fampitàna ny fahefana. Matoa ny mpivory tany amin’ny Firenena Mikambana naneho ny tsy fankatoavany ny nandraisan-dRajoelina Andry fitenenana sy nanomezan’ny nandray fitenenana ny famaritana azy ho “tsy manana hatsarana” (sans qualité), dia tsy nisy akafa nandà fa tena nanongam-panjakana tokoa Rajoelina Andry.

Tsiahivina eto ihany koa, fa tsy nisy afaka naneho hevitra nandritra ny tetezamita ary izay saika nihetsika nitaky ny fahalalahana naneho izany dia nofahanana gazy mandatsa-dranomaso. Na ny kianja nomeny ny anarana Kianjan’ny Demokrasia aza tsy azo nidirana hatramin’izao satria fitohizan’ny tetezamita izao. Na dia nisy aza ireo nanokatra fampielezampeo miafina nentina nilaza ny marina momba ny toe-draharaha dia natao haza lambo izy ireny. Ny MBS moa dia efa nodorana sy nopotehina ny fiandohan’ny taona 2009, ny 26 janoary. Tonga teo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajaonarimampianina Hery dia nanaiky ny nanokafana indray ity radio televiziona MBS ity. Fotoana fohy taorian’ny nanomezan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpananorenana ny fahefana tamin’ny alàlan’ny didy tsy azo ivalozana, ka nanendrena ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina ankehitriny dia notereny nanapaka ny fifanarahana tamin’ny MBS ireo orinasa mpampita amin’ny alàlan’ny satelita ny fandaharany. Na izany na tsy izany dia nisy ihany no mbola afaka nampita ny fandaharana kenefa dia noteren’ny fitondrana indray ity orinasa ity tsy hanohy izany intsony. Tsapa araka ity tranga ity fa tsy zakan’izao fitondrana izao mihitsy ny ahafantaran’ny any amin’ny Faritra ny zava-misy marina eto amin’ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra.

Misy tokoa mantsy ireo fandaharana ao amin’ny MBS mamotsipotsitra ny fitenitenenana foana, ny adalàna sy ny tsy fanajàna ny teny notenenina ary fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’izao fitondrana izao. Tsy vitsy amin’izao fotoana ny mitaky ny hamerenana indray ity fahitalavitra tsy miankina ity ao amin’ireo televiziôna satelita eto amintsika toy ny Canal +, na Canalsat, ny Startimes, ny Parabole,… satria zon’ny olom-pirenena rehetra ny hahazo ny vaovao rehetra, izany dia ao anatin’ny fahalalahana maneho hevitra, sy fahalalahan’ny asan-gazety voafaritry ny lalampanorenana. Na izany na tsy izany dia efa mahatsapa sy mahita ary afaka manamarina ny olompirenena manerana ny Nosy fa mavo vava ny filohan’ny Repoblika.

Azo inoana fa na dia tampenam-bava amin’ny fomba rehetra aza ny mpampita vaovao sy mpisintona lakolosy fanairana dia tsy maintsy iparitaka tsy azo tohaina ny vaovao marina satria mbola manjaka eto ny fampitam-baovao miampitapita ataon’ny olona na de bouche à oreille. Efa mahazo laka ihany koa ny fahafantaran’ny vahoaka Malagasy ny tena toetran’ny filohan’ny Repoblika, ka azo antoka fa hisy fiantraikany eo amin’ny vato ho azony amin’ny fifidianana 2023 izany.