Fanehoan-kevitr’i Raniry, mpanoratra sy mpanakanto any Mahajanga indray no Tafatafa eto amin’ny gazetinao androany.
Efa iarahan’ny rehetra manaiky fa hirosoana ny fifidianana mba ho fanajana izay voalazan’ny lalampanorenana hoy izy, eny, na dia mbola maro aza ny olana tokony hovoasana manoloana an’izany; eo koa ireo izay manolotra sosokevitra hafa tsy sahala. Tsy sanatria manamaivana na koa manao tsinontsinona ny hevitr’ireny olona ireny fa efa ny firosoana amin’ny fifidianana izany izao no laharam-pahamehana eto amin’ny firenena koa ndeha atodika amin’izay ny saina aman’eritreritra.
Marina tokoa, ary efa mba ambetin-dresaka teto amin’ny gazety ihany, fa maro ny fanontaniana ilàm-baliny sy ny zavatra sadasada manan-tsoratra mahakasika ity firosoana amin’ny fifidianana toa atao amboletra ity, indrindra ny toa fitsabahana lalina ataon’ny sehatra iraisam-pirenena, saingy efa izay izany no tapaky ny be sy ny maro koa ndeha hiaraha-manatontosa sy manatanteraka e! Betsaka tokoa ny fanovana sy ny fanarenana ifotony tokony hotanterahana eto Madagasikara amin’ny lafiny rehetra saingy toa tsy vahaolana intsony tokoa ny hirosoana amin’ny tetezamita sao hanjary tetezamiitatra indray. Marina fa tena tsy tonga lafatra io lalampanorenana iainantsika ankehitriny io saingy io aloha no misy dia io no iainana. Ekena fa tsy mbola mipetraka mazava tsara ny lalàna rehetra tokony hifampifehezana mialoha sy mandritra ary ao aorian’ny fifidianana, izay tokony ho ekena sy ankatoavin’ny herivelona rehetra, saingy tsy ny famirapiratry ny lalàna angamba no hampanjary ny fifampifehezana eto anivon’ny fiaraha-monina fa ny fanatanterahana sy ny fanajana izay kely misy. Betsaka ny zavatra tena mbola mila fanarenana saingy raha ny fahasahiranana lalina mihàtra sy mianjady amin’ny firenena ankehitriny dia tsy hanam-potoana lava amin’izany intsony isika fa aleo aloha hirosoana izay voalazan’ny lalampanorenanana dia izay mpitondra lanim-bahoaka eo no iangaviana sy italahoana mafy mba hanatanteraka an’izany araka izay azony atao.
Ny fanontaniana goavambe mipetraka dia izao : “Tena mpitondra ho lanim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara tokoa ve no hipetraka eo sa mpitondra vokatry ny halatra sy fanodikodinam-bato ary ny tery vay manta ataon’ny mpitondra fanjakana sy ireo manam-pahefana ary ny sehatra iraisam-pirenena?” Io fanontaniana lehibe io no tokony hiarahantsika mianakavy misoroka sy mitady vahaolana dieny izao. Io resaka halatra sy fanodinkodinam-bato ary familiana ny safidim-bahoaka io no isan’ny mbola mampikorosy fahana ny firenentsika hatramin’izao. Tsy ilay mpitondra tena nofidian’ny vahoaka no tonga eo amin’ny fitondrana, hany ka tsy misy fampandrosoana mandeha amin’ny laoniny. Ny mpitondra zara raha mitsinjo vahoaka fa ny hangoron-karena sy hameno ny paosin’izy mianakavy no mahamaika sy mahadodona azy, ny vahoaka koa manary toky sy very fanantenana tanteraka fa tsy mahatoky ny mpitondra azy, hany ka zary miraviravy tanana amin’ny fandraisana andraikitra rehetra. Antso avo àry no atao amintsika mianakavy, samia mba tapa-kevitra amin’izay hanavotra ity firenena malalantsika rehetra ity! Samia mijoro isika rehetra, aoka hifanome tanana hanara-maso ny fifidianana. Raiso ny adidy, tongava mifidy. Tena zava-doza ho an’ny firenena ny tsy fahatongavanao mifidy. Tsy lavina fa efa tena mankaleo ny hafitsok’ireo mpanao pôlitika Malagasy, ny hala-bato ihany koa toa saro-pongorana, saingy ny fahaizantsika rehetra mijoro ny mamosaposaka ny marina ihany no ahafahana misoroka an’izany. Misy milaza fa any Amerika izay firenena matanjaka indrindra eto ambonin’ny tany aza misy hala-bato mainka fa eto Madagasikara izay firenena isan’ny mahantra indrindra!
Tsia! Nanjaka ny hala-bato satria tsy sahy nijoro isika rehetra, tsy tonga nifidy isika rehetra, jamban’ny vola isika rehetra… Misy amin’ireo kandidà no efa manangana ny teti-panorony sahady hiroso amin’ny “Plan B” satria fantany fa tsy ho lany amin’ny tena safidim-bahoaka marina izy. Dia hampiasa ny herin’ny vola sy ny fahefam-panjakana eo an-tanany ka hamoriporitra ireo mbola bado sy marefo eto amin’ny firenena. Tsy izay vola kely hahazoan-tsakafo in-telo manokona monja raha be indrindra re ry Malagasy malala no hanaovana sorona ny taranaka fara-mandimby. Diniho tsara izay hofidiana dia sahia mijoro amin’ny safidy nataonao. Tena mampahonena i Madagasikara ka mila vonjy! Samia ary sahia mijoro!
Mitodika manokana amintsika mpanohana an’i Dada Marc RAVALOMANANA ny tenako. Tokana ihany no tanjontsika rehetra dia ny hamerina an’i Dada eo amin’ny fitondrana. Aoka hiray hina tsara isika rehetra, hiray fo sy saina fa hipetraka ho tantara izao ezaka iarahantsika mianakavy misalahy sy manatontosa izao. Isika no ho sambatra voalohany raha toa ka avotra soa aman-tsara ihany i Madagasikara malala. Tsy isika indray sanatria no hanao mpitari-bato vilam-bava ka hafa no hambaran’ny vava, hafa no ataon’ny tanana. Tsy isika no hitsivalam-pandry ka hifanipaka toa valala an-karona fa ny firaisan-kina ihany no hery. Aoka hijoro ho fitaratra isika zanak’i Dada rehetra. Aza finaritra sy faly ary fatra-pila tambiny rehefa manao ezaka fa na ny Tompontsika aza efa nilaza fa mendrika ny karamany ny mpiasa, tonga ho azy izany tambiny izany rehefa miezaka manao ny tsara mandrakariva isika. Tambiny lehibe tsy hita noanoa ho antsika rehetra ny fahitana an’i Gasikara tafita sy mandroso. Afaka mirehareha amin’ireo taranaka faramandimby isika rehetra any aoriana any raha toa ka mba nisy anjara biriky napetratsika teto amin’ity firenena tena fadiranovana sy tena mampahonena ary efa tena trotraka sy torovana ary valalanina tanteraka ity.
Farany, tsy maharaka ankehitriny ny gazety “Tia Tanindrazana” sy ny gazety “Ny Valosoa Vaovao” eto Mahajanga fa raha vao taran’ny amin’ny folo ora maraina dia efa tsy mahatratra intsony. Porofo mitohaka amin’ny tenda izany fa tena mbola mamim-bahoaka i Dada Marc RAVALOMANANA aty Boegny. Efa azontsika ny fandresena saingy tsy mbola afaka misioka aloha fa tsy mbola tafavoaka ny ala. Samia sy sahia mijoro hiaro io tombony efa eo an-tanantsika io isika rehetra.