Alliance Diaspora Malagasy – Mampalahelo ny ankamaroan’ny Malagasy, sahirana ny firenena

Isambilo

Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana ny mpikambana vitsivitsy amin’ny Alliance Diaspora Malagasy, anisan’izany ny filohany, Amirale Van Alexandre, tanora malagasy mianatra any Frantsa, nanangana ity fikambanana ity. Tafaresaka tamin’ny mpanao gazetin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izy. Dinidinika :
-Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV) : Na fotoana fohy ihany aza no andalovanao eto an-tanindrazana, manao ahoana ny fahitanao ny zava-misy eto ankehitriny ?
-Amirale Van Alexandre (AVA) : vao tonga teny Ivato aloha dia hita fa nahafinaritra ny nijery ny seranam-piaramanidina vaovao, fa avy eo ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fahitana ny fomba fiasa dia mirefarefa ary mampalahelo. Efa reraky ny dia nefa, ora maromaro vao tafavoaka ny seranam-piaramanidina. Avy eo indray rehefa tafiditra ny renivohitra, hita fa sahirana ny Malagasy, hita soritra amin’ny endriny izay fahasahiranana sy adim-piainana izay. Tena latsaka an-katerena ny Malagasy raha tenenina amin’ny teny tokana.
-GNVV: Tsy teto Antananarivo ihany ianareo fa nitsidika toerana ambanivohitra koa, nanao ny tany raha ampitahaina amin’ny teto an-drenivohitra?
-AVA: Amin’ny maha-fikambanana anay dia tsy teto an-drenivohitra ihany izahay, fa nitsidika toerana tany amin’ny faritra ambanivohitra koa. Hita fa tena mampalahelo ny olona any ambanivohitra, satria miaina amin’ny eo am-pelatanany izy ary ny tena maha ontsa fo dia ireo ankizy tsy afaka mianatra zanaky ny tantsaha. Vokatra kely no eo am-pelatanany dia ireny ireo ankizy miaraka mitady vola amin’ny ray aman-dreniny. Vao mijanona ny fiarakodia dia manatona ny ankizy dia milaza hoe: ity mba vidio amin’izay misy any, maha ontsa. Amin’izao mbola misy an’izany hoe: ny hihinanan’ny hafa dia izay foinao. Sahirana ny firenena ary tena mampalahelo ny ankamaroan’ny Malagasy.
-GNVV: Nihaona tamin’ny filoha Marc Ravalomanana ianareo avy amin’ny Alliance Diaspora Malagasy, manao ahoana ny amin’izay?
-AVA: Amin’ny maha-ray aman-dreny ny filoha Marc Ravalomanana dia tonga namangy azy izahay ary mankasitraka azy nandray anay. Nisy tamin’izany ny fifanakalozan-kevitra amin’ny maha-fihaonan’ny ray aman-dreny sy ny zanaka azy. Tao anatin’izay fifampiresahana izay no namaritana, inona no azo atao hanasoavana ny firenena, satria tena sahirana ny firenena amin’izao fotoana ary na ny mpitondra aza dia miaiky fa tena miaina izay fahasahiranana izay ny firenena ankehitriny. Aty no niandohana dia aty no hiafarana, noho izany dia nijery ny hahasoa ny Malagasy namana sy havana.
-GNVV: Hiara-hiasa amin’ny filoha Ravalomanana ve ianareo izany amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy?
-AVA: Ny Alliance Diaspora Malagasy dia tsy manao politika, na izany aza ny tanjon’ny mpikambana dia ny hoe: ny firenena tsy maintsy avotana, satria ireo dispora dia manana andraikitra amin’ny fanarenana ny toekarena eto amin’ny firenena. Mandefa vola aty ny diaspora ary misy fiantraikany lehibe amin’ny firenena izany. Fa ny tena kinendry dia hijery ny mahasoa sy ny hahatsara ny Malagasy namana.
-GNVV: Inona no zavatra hataon’ny Alliance Diaspora fohy ezaka eto amin’ny firenena?
-AVA: Izay no nahatongavana taty, nijery hoe: inona no fanampiana azonay hoentina ho an’ny mpiray tanindrazana, satria tena mahonena ny fiainan’ny Malagasy amin’izao.
-GNVV: Ny fitondrana milaza fa ho afaka hifidy ny diaspora amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy, ny fahitanareo an’izay?
-AVA: Matoa ny fitondrana nifandimby tsy nampifidy ny diaspora hatreto dia sarotra tanterahana na mbola tsy mety izany. Tsy vita 2, na 3 taona, eny hatramin’ny 5 taona aza izany, satria ny masoivoho dia tsy mazava ny tena asany momba izay. Be ny Malagasy any ivelany mbola tsy nanitsaka izany Masoivoho izany, ka sarotsarotra ny hanatanterahana azy, mety hiteraka olana raha misy 0 miampy fotsiny ohatra amin’ny fanisana. Aleo ny fifidianana eto an-toerana, eto amin’ny firenena aloha no hatsaraina, izay vao hirosoana izany fandraisan’ny any ivelany anjara amin’ny fifidianana izany, raha ho atao ihany any aoriana any.