Avereno ao amin’ireo televiziôna satelita ny MBS – Mijaly ny any amin’ny faritra, mila vaovao tsy mitongilana

Isambilo

Miha-maro amin’izao fotoana ny fanehoan-kevitra avy any amin’ny faritra, noho ny nanapahana ny televiziôna MBS ao amin’ireo televiziôna satelita toy ny Canal Plus, Startimes, ny Parabole,… Tena efa niharitra ela kosa izy ireo, ka ampy izay, araka ny fanambarana voaray. Mijaly izahay aty amin’ny faritra, mila vaovao tsy mitongilana hoy ihany ny fanambarana, ka mitaky ny hamerenana ny televiziôna sy ny Radio MBS ao amin’ny Canal Plus, ny Startimes ary ny Parabole.

Tsy mahazaka demokrasia izao fitondrana izao, ny MBS dia efa nodorana sy nopotehina ny fiandohan’ny taona 2009, ny 26 janoary, nefa tafarina ihany. Tonga teo amin’ny fitondrana ny Filoha Rajaonarimampianina Hery dia nanaiky ny nanokafana indray ity radio televiziona MBS ity. Fotoana fohy taorian’ny nanomezan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpananorenana ny fahefana tamin’ny alàlan’ny didy tsy azo ivalozana, ka nanendrena ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina ankehitriny dia notereny nanapaka ny fifanarahana tamin’ny MBS ireo orinasa mpampita amin’ny alàlan’ny satelita ny fandaharany. Na izany na tsy izany dia nisy ihany no mbola afaka nampita ny fandaharana kenefa dia noteren’ny fitondrana indray, ity orinasa ity tsy hanohy izany intsony.

Tsapa araka ity tranga ity fa tsy zakan’izao fitondrana izao mihitsy ny ahafantaran’ny any amin’ny Faritra ny zava-misy marina eto amin’ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra. Misy tokoa mantsy ireo fandaharana ao amin’ny MBS mamotsipotsitra ny fitenitenenana foana, ny hadalàna sy ny tsy fanajàna ny teny notenenina ary fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’izao fitondrana izao. Tsy vitsy amin’izao fotoana ny mitaky ny hamerenana indray ity fahitalavitra tsy miankina ity ao amin’ireo televiziôna satelita eto amintsika toy ny Canal +, na Canalsat, ny Startimes, ny Parabole,… satria zon’ny olom-pirenena rehetra ny hahazo ny vaovao rehetra, izany dia ao anatin’ny fahalalahana maneho hevitra, sy fahalalahan’ny asan-gazety voafaritry ny lalampanorenana.