Andry Tsiavalona
Ny talata ho avy izao no hahatsiarovana ny faha-75 taonan’ny tolom-panafahana nataon’ny Malagasy ny taona 1947. Ny mpanjanaka frantsay moa namaritra izany hetsika izany ho “fikomiana”, ka nampiasa tafika nentina namoretana ny tia tanindrazana izay nitaky ny “fahaleovantena”.
Tsara marihina fa efa tamin’izany fotoana izany no nisy gasy niara-niasa tamin’ny mpanjanaka, ka namadika sy nivarotra ny mpiray Tanindrazana taminy. Tsy tamin’io fotoana io ihany koa no nisy ny tia tanindrazana tsy nanaiky ny fanjanahana satria taona vitsy taorian’ny nandefasana an-tsesitany ny Mpanjaka Ranavalona III tany Algérie dia nijoro ny Vy Vato Sakelika (VVS). Tsy nijanona teo ny fanoherana fa nitohy hatrany.
Nitsangana ny MDRM ny taona 1947, ka tsiahivina manokana ireo nitarika ity hetsika ity dia ny depiote Malagasy, Dokotera Ravoahangy Andrianavalona sy Raseta Joseph ary Rabemananjara Jacques. Ny tena nafana tamin’ny tolom-panafahana ny tao Moramanga, izay nitifirana tao anaty fiaran-dalamby niteraka ny tantaran’ny “Wagon Moramanga”, ka nahafatesana tia tanindrazana efa amana hetsiny. Izay no antony nametrahana ny antsoina hoe: “Fasan’ny Mahery Fo”. Saiky nanerana an’i Madagasikara no nisy ny fanoherana ary tany amin’ireny toerana ireny dia nitsoaka niafina tany anaty ala ny mponina satria tsy fantatra intsony iza ny mpamadika. Tsy azo adinoina ihany koa ny nanorenan’ny mahery fo tany Toliara ny fikambanana miafina JINY notarihan’i Monja Jaona. Nitolona ho amin’ny fahaleovantena ireo fikambanana ireo, kanefa iaraha-mahalala fa nisy ny PADESM, fikambanana natsangan’ny mpanjanaka nifanandrina tamin’ny MDRM, ka rehefa voaterin’ny toe-draharaha iraisam-pirenena ny mpanjanaka ka namerina ny fahaleovantena dia niova anarana ho antoko politika PSD ny fikambanana. Nitsangana kosa ny AKFM izay nisolo toerana ny MDRM, ka ireo antoko roa ireo no nijoro teto Madagasikara. Iaraha-mahalala fa ny filohan’ny Repoblika I, napetraky ny mpanjanaka, Tsiranana Philibert, dia avy amin’ny PADESM.
Rehefa nambara ampahibemaso ny fahaleovantena ny 26 Jona 1960 dia naverina teto an-tanindrazana izy telo mirahalahy mpitarika ny MDRM, ka niditra tao anatin’ny governemanta ny roalahy, Ravoahangy Andrianavalona sy Rabemananjara Jacques fa Raseta Joseph kosa tsy niditra tao anatiny, fa toa nanana fironana tamin’ny antoko mpanohitra AKFM. Rehefa zohiana ny tantara dia tao anatin’ny fitondrana nifandimby ireo antoko roa ireo na niova aza ny anarany, tamin’ ny Repoblika II dia samy nivaky roa izy ireo. Ny JINY notarihan’i Monja Jaona kosa dia nanohitra hatrany ary nitondra ny anarana MONIMA izay toa iretsy antoko roa ihany dia nivaky roa, telo mihitsy aza. Nitombo ho fito ny antoko tao anatin’ny fitondrana tamin’ny Repoblika II noho ny fivakivakisana sy ny antoko vaovao niforona. Efa hita taratra tamin’izany fotoana izany fa tsy ny hanavotra ity Firenena ity hiala amin’ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao na hampivoatra ny faripiainan’ny Malagasy ho amin’ny tsaratsara kokoa ny tanjon’ny politisiana gasy matoa misy antoko politika aman-jatony amin’izao fotoana izao. Tsy fitiavan-tanindrazana no manesika ny politisiana gasy, fa fikatsahana tombontsoa manokana amin’ny alàlan’ny fitadiavan-tseza hananana fahefana ho entina mamoritra na manambaka ny mpiarabelona.
Amin’izao Repoblika IV-2 izao dia tsy miafina, iza amin’ny mpisehatra ara-politika no taranaky ny mpivarotra Tanindrazana sy tsy menatra ny mivarotra ny mpiray tanindrazana amin’ny fomba rehetra. Tsy nahomby ny fampiadiana ny samy Malagasy, tamin’ny alàlan’ny adim-poko, na dia anisan’ny fitaovana nampiasaina izany, fa nandamoaka. Amin’izao fotoana izao dia misy taranaky ny mpanjanaka mitady handranitra izany noho ny tombontsoan’ny faritra sa noho ny tombontsoan’ny fianakaviana. Tsy hampandroso ny Tanindrazana iombonana izany satria tsy faritra iray, na foko iray no manana ny herin-tsaina sy herizika ary fahaizamanao ho amin’izany, fa ny fivondronan’ny Malagasy tsy vakivolo, satria “izay mitambatra vato, fa izay misaraka fasika”, ary tsy ny fitambarana amin’ny ratsy no hitondra fivoarana.