Andry Tsiavalona
Manontany tena ny olompirenena maro amin’izao valoambinifolo volana mialohan’ny fifidianana izao, noho ny hetsika ataon’ny mpomba izao fitondrana izao, satria toa efa manomboka sahady ny fampielezan-kevitra. Araka ny filazan’ny ao amin’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI) moa dia tsy misy lalàna mamaritra ny vanim-potoana tokony hanaovana izany. Toa manamafy izany ny lahatsoratra ao amin’ny gazetin’izao fitondrana izao mivoaka isan’andro milaza, fa efa mifantoka any amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 2023 ny maro amin’izao fotoana izao.
Tsy azo adinoina anefa fa miteraka tsy fahamarinan-toerana ara-politika eto amin’ny Firenena, ho an’ny mpitondra amin’izao fotoana izao, ny fisian’ny resaka « doublons » niisa roa hetsy sy iray tapitrisa (1 200 000) tamin’ny fifidianana fihodinana faharoa, kanefa dia namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) didy tsy azo ivalozana fa lany ho filohan’ny Repoblika i Rajoelina Andry. Nanampy trotraka izany ny fitoriana aman-jatony napetraky ny kandidà maro teo anivon’ity Fitsarana ity momba ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny fifidianana ity, kanefa dia nambara fa « azo raisina fa tsy mitombona ». Efa aty aoriana vao nanadio tena ny filohan’ity fitsarana ity, rehefa tsy teo amin’ny toerana intsony ka nanambara indray fa: « tahotra ny mety hisian’ny korontana eto amin’ny Firenena no nandraisany ireny fanapahan-kevitra ireny ».
Amin’izao fotoana izao dia mpiara-dia amin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny valo amin’ny sivy mpikambana ao amin’ity Fitsarana ity, ka azo antoka fa mbola hiverina ny toe-draharaha sahala amin’izany. Tamin’ny fifidianana ny taona 2018 iny ihany dia fantatra, fa nampanao ny Trano Printim-pirenena Karapanondrom-pirenena amina tapitrisa ny CENI. Iaraha-mahatadidy fa nesorina teo amin’ny toerany ny tale tao, ka nosoloina nanaiky ny nanonta ireo karapanondro voalaza etsy ambony ireo. Tsy misy afaka mandà fa olona mitondra ny lokon-doranjy avokoa ny mpikambana ao amin’ny CENI amin’izao fotoana izao. Nitsipaka ny fisian’ny « doublons » tamin’ny fifidianana farany ny filohan’ity andrim-panjakana ity. Raha ireo toe-javatra ireo dia efa mampanahy ny politisiana maro ny mbola hiverenan’ny fanitsakitsahana ny lalàna fototra momba ny fifidianana indray.
Ity rafitra ity ihany koa no manao ny lisitry ny mpifidy kanefa ny zava-nisy tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany ihany dia nisy ny mpifidy tsy tafiditra tao anaty lisitra. Nisy koa anefa, tetsy ankilany, ireo olompirenena efa nodimandry na tsy ampy taona kanefa dia tao anaty lisitra, ka izany no anton’ny fitoriana aman-jatony voalaza ery ambony. Efa naverin’ny Distrika eny amin’ny Fokontany ny lisitry ny mpifidy ary efa misy ny fanentanana, mba hanamarinan’ny mponina raha ao ny anarany na tsia. Raha ny lalàna mifehy ny fifidianana dia isaky ny folo taona no havaozina ny lisitra ary efa tamin’ny 2012 ny lisitra ankehitriny, ka heverina fa tsy maintsy hatao araka izany ny fanavaozana (refonte) tanteraka ny lisitra.
Mitaky ny hanaovana ny Fikaonandoham-pirenena ny hery velona rehetra mijoro eto amin’ny Firenena, tsy noho ny fiainam-pirenena sy fianam-bahoaka tsy mandeha amin’ny laoniny ihany, fa indrindra momba ny resaka fifidianana. Tsy handeha ila tahaka ny kiraron’i Beminahy ary mba tsy hiverenan’ny fahotana mahafaty tahaka izay nitranga tamin’ny fifidianana farany dia heverina fa tokony ary tsy maintsy hatao laharam-pamehana ny fikaonandoham-pirenena hanovàna tanteraka ny Lalàm-pifidianana sy hanendrena olompirenena tena manam-panahy sy marina ary tsy mitanila (honnête, intègre, impartial) ho ao amin’ireo Andrim-panjakana rehetra miandraikitra ny fifidianana.
Hiankinan’ny aim-pirenena eo amin’ny sehatra rehetra ny vokatry ny fifidianana ka azo inoana fa, raha mbola tahaka izao zava-misy eto amin’ny Firenena izao no hiainan’ny Malagasy, kanefa hiziriziry tsy hanova na inona inona ny fitondrana, dia hitodika aty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao. Tsy tongatonga ho azy izany firaisankina sy fifankatiavana ary fiaraha-mientana izany, fa mila fanetren-tena sy fanapahan-kevitra politika matotra avy amin’ny mpitondra, ka tsy ny mpanara-drenirano sy mpijapy lamasina no azo hantenaina eo amin’ny fanovàna takian’ny Firenena.