Andry Tsiavalona
Efa mizotra tsy azo ferana mankany amin’ny fifidianana ny fiainam-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny Vaomiera Mahaleotena momba ny Fifidianana (CENI), ny praiminisitra, ny vondrona iraisam-pirenena ary ireo kandida, efa resy lahatra ary tsy manaiky ny fanemorana na ny fananganana tetezamita indray dia efa manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana avokoa. Samy manana ny endrika itondrany izany anefa ny tsirairay. Ao ireo izay misafidy ny hiditra ao amin’ireny fandaharana manokana karakarain’ny haino aman-jery na miankina na tsy miankina ireny. Misy kosa kandidà miisa dimy eo ho eo no mitety faritra mandresy lahatra ny mponina amin’ny fandaharan’asany manoloana ny olana mianjady amin’ny vahoaka. Raha hatomboka amin’ny filohan’ny Repoblika teo aloha ny hetsika dia efa iaraha–mahita ny endrika hanaovany ny fampiezan-keviny mialohan’ny fotoana. Mivoaka amin’ny gazety sy fahita lavitra ny « fotoam-bita ». Tsy manana antontan’isa entina mandrefy ny famakian’ny olompirenena ny gazety mirakitra izany, na ny fanarahana ny fandaharana amin’ny televiziona. Ny endrika faharoa dia ny fametrahana vato fehizoro amin’ny fanorenana fotodrafitrasa na fitokanana fotodrafitrasa izay nararaotina namoriana vahoaka. Miainga amin’ny « Fisandratana 2030 » sy fanehoana fa miasa sy mitsinjo lavitra izy. Tsy afaka miandry roambinifolo taona anefa ny tranga mampitondra faisana ny vahoaka toy ny tsy fandriampahalemana izay namoronana anarana tetik’ady isan-karazany sy fizarana kintana sy bokotra kanefa tsy nampiova ny fitaintainan’ny vahoaka na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Ny vidim-piainana tsy nitsahatra nisandratra avo dia avo isan’andro,tsy voafehiny nandritra ny dimy taona nitondrany. Tsy hitanisa zavatra maro fa ampy hitarafana ny tsy hanomezan’ny maro an’isa ny vatony ho azy. Ambonin’izany dia tsy afaka mampiasa ny fitaovam-panjakana sy ny olom-panjakana izy raha tsy izany dia hihàran’ny lalàna. Ny kandidà faharoa, Rajoelina Andry Nirina, indray dia nihazakazaka mialohan’ny fotoana namafy vola sy nampiasa mpanakanto nisarihana vahoaka nentina nangolena ireo mety hamatsy vola ny tena fampielezan-kevitra. Hita anefa izao fa latsaka ao anaty fotaka mandrevo izy amin’izao fotoana. Manampy trotraka ihany koa ny « Initiative pour l’Emergence de Madagascar » (IEM) izay tsy maharesy lahatra ny vahoaka amin’ny maha vina azy satria kabary tsara lahatra fotsiny no nataony rehefa mamory vahoaka izy. Azo lazaina izany fa lany bala mialohan’ny fotoana ity kandidà mitondra ny laharana-13 ity. Manao be fihavy kosa ny kandidà Ratsiraka Iarovana Roland satria efa manana traikefa eo amin’ny fitantanana firenena. Azo lazaina fa mahavory olona tokoa izy teny amin’ny « coliséum » teto Antananarivo sy tany Toamasina kanefa tsy ny habetsahan’ny olona no hamaritana ny hifidianana na tsia ny kandidà iray fa miankina indrindra amin’izay lasany teo amin’ny fitantanana sy izay fiantraikan’izany teo amin’ny fiainan’ny mpiarabelona. Anisan’ny mahavory vahoaka miakanjo manga sy fotsy koa ny pastoran’ny antokom-pivavahana Apokalypsy ary ny sabatra entiny miady dia ny famongorana ny kolikoly sy ny fambotriana ny vahoaka amin’ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka. Anisan’ny fametsifetsena ny vahoaka koa anefa ny fitakiana ny fahafolon-karena. Tsy manana orinasa ity pastora ity kanefa dia manan-karena sy manontany ny mpanana tokoa. Mbola ny tanàn-dehibe ihany aloha izao no reseny lahatra amin’ny fampiasana ny Soratra Masina fa tsy nidina tany amin’ny tanàna madinika na dia renivohitry ny kaominina aza. Ny kandidà farany hanaovana fandinihana dia ny mitondra ny laharana faha-25, Ravalomanana Marc.Renivohitry ny faritany telo no nandalovanyhatramin’izao. Satria mandeha fiarakodia hatrany izy rehefa midina any dia tsy mandalofotsiny amin’ireo tanàna kely fa mitafa sy manadihady ny mponina momba izay zavatra maharary azy ireo, ary mahita fa mijaly fadiranovana ny vahoaka Malagasy. Manome toky hatrany izy fa hamerina amin’ny laoniny ny fiainan’ny Malagasy kanefa mitaky fiaraha-miasa ihany koa satria samy tomponandraikitra amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Tsy mpandroba sy mpandrava ihany koa izy, iaraha–mahalala izany, fa mpanorina sy mpanangana. Azo inoana fa tsy ho voafitaka intsony ny Malagasy satria efa samy niaina ny kobaka ambava sy ny ronono an-tavy nampihinanana sy nampisotroina azy nandritra ny sivy taona.