Clemence Raharinirina – Nankasitraka ireo rehetra nanohana azy ny sabotsy teo

Niaina

Nitondra fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireo rehetra nanohana azy ny sabotsy teo, tamin’ny fisamboran’ireo mpitandro filaminana azy teny Ankorondrano, avy eo nentina teny Fiadanana, i Clemence Raharinirina, filohan’ny taksi eto Antananarivo Renivohitra na FTAR.

“Araka ny efa nambarako dia hisaotra ireo rehetra na lavitra na akaiky nanohana, nitrotro am-bavaka, ka nahatafavoaka ahy soamantsara aho androany. Eo ilay Ray Mpahary, ny vady aman-janako, ny fikambanan’ny taxi, isika mpanao FB, namana aman-tsakaiza, fianakaviana, olomboafidy, ny antoko politika samihafa, ka singaniko ny TIM sy ny jeune RMDM, ireo MPANAO GAZETY REHETRA ary ireo izay tsy mahafantatra ahy akory nefa naneho fanohanana. Hitako avokoa Tompoko ny nataonareo ary tsy ho voavaliko, fa ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana hamaly fitia anareo tsirairay. Maivana ny fanaintainana sy ny fitaintainana nahita ny fanohananareo rehetra. INOAKO koa fa ho “fier” ilay raiko nahitako masoandro, mpitolona tamin’ny 1947, izay teo anilako mandra-pikipin’ny masony na dia tsy misoratra ao anaty kopia-ko aza ny anarany. Mino koa aho fa ho “fiers” i James Ratsima sy Maître Olala, izay tsy ho adinoiko MANDRAKIZAY! Handry am-piadanana anie izy ireo. NY MARINA TSY MBA MATY”.

Momba ity raharahan’ny mpitondra taksi sy ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina ity, ho hitantsika eo ihany ny ho tohiny.