Paraina Auguste – Tsy mitombina ny filazana fa mbola misy 53% hifidy an-dRajoelina

Nangonin’i Niaina

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena misy amin’izao fotoana i Paraina Auguste, mpanao politika: efa filohan’ny Antenimierampirenena, efa ministra ary efa Ambasadaorontsika tany Senegal.

Nandritra ny fanatrehany ny dinika savaranonando momba ny fikaonandoham-pirenena natao teny Andraharo, no nanambarany fa fitaka ho an’ny filoha Andry Rajoelina ny firotsahany ho fidiana amin’ny fifidianana amin’ny taona 2023. Nambaran’ity mpanao politika ity tamin’izany fa: “mamitaka ny filoha Andry Rajoelina izay mamporisika azy mbola hirotsaka. Tsy mitombina izany 53% mbola hifidy azy izany amin’ny taona 2023 raha ny zava-misy amin’izao fotoana no jerena. Raha izaho izy tsy mirotsaka hofidiana intsony”, hoy Paraina.

Mahakasika ny fikaonandoham-pirenena, nambarany fa tena ilaina ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, 10 tapitrisa eo hoy izy ny mpifidy voasoratra anarana eto amintsika, nefa ny vahoaka manerana an’i Madagasikara ankehitriny 27 tapitrisa, misy tsy mety ao anatin’izany. Maro ireo olona tsy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana any rehetra any tokony hampidirina. Tsy mitombina ihany koa raha faritany iray, mitovy amin’ny antsasaky ny faritany 5 hafa ny isan’ny mpifidy ao aminy.