Helisoa
Marobe ireo olon–tsotra sy fikambanana eto an-toerana na any ampitan–dranomasina no te-hanome tanana sy fanampiana ny kandida N° 25, Marc Ravalomanana, amin’ny fiatrehana ny fifidianana filohampirenena ho avy io.
Noho izany dia nanapa–kevitra i Dada fa hanokatra kaonty hanomezan’ny rehetra izay foiny araka ny hetahetampon’ny mpomba azy. Ka hatao amin’ny mangarahara tanteraka ny fanampiana rehetra azo amin’izany.
Marobe ny fanehoan–kevitra hita amin’ny tambazotran-tserasera mikasika io resaka fanangonana vola io satria zavatra tsy nampoizin’ny maro izany.
Ny hita mantsy amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia marobe ireo kandida no manao fafikatrana vola sy zavatra hanambazana ny mpifidy azy hamafàna ny heloka nataony teto amin’ny firenena nandritra ny 9 taona nanomboka tamin’ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara.
Miavaka ny filoha Marc Ravalomanana satria matoa ny olona mirodorodo mitondra ny vola sy hery eo am–pelatanany hampandresena an’i Dada ho filohampirenana dia izy irery ihany no azony antoka fa hanavotra ny firenena latsaka ao andavaky ny fahantrana. Tsy misy fanerena fa vokatry ny fo ny fanampiana izay hatao.
Raha ny heno dia efa marobe tsy tambo isaina ny olona hanome fanampiana ny filoha Marc Ravalomanana.