EDITO 12 Mey – Mpitondra « sadasada » – Tsy hahatafavoaka ny firenena amin’ny fahantran’ny vahoaka

Sôh’son

Nanamarika ny Repoblika voalohany ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao nifikitra mafy taminy sy nangeja azy. Mbola tsy hita ho tapaka ny « tadim-poitra » nikorianan’ny rivotra politikam-panjanahana izay nokendrena haharitra aman-jatotaonan’ny maro, saingy noho ny tsy azo nanoharana dia tsy maintsy naverina tamin’ny tompony ny fahaleovantenany. Hany ka mody novaina endrika ny politika tamin’ny alalan’ny fifanaraham-piarahamiasa. Niharihary ny mbola fiarovana ny tombontsoa vahiny indrindra fa ny frantsay. Tsikaritry ny avara-pianarana malagasy saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena madio mangarahara io tetikady io, ka niteraka ny hetsika fanoherana teto amin’ny firenena ny taona 1972 hanapahana sy hanilihana izany.

50 taona aty aoriana, mbola tsy tapaka ihany io tady mihazona ny firenena malagasy io. Amin’ny lafiny fijery iray nahomby ny tetiky ny mpanjanatany frantsay. Tamin’ny alalan’ireo teratany novolavolainy aman-taonany maromaro tany aminy, no nahafahany nanatanteraka izany. Izy ireo no niray tsikombakomba, ka mitohy hatrany ny fiarovana ny tombontsoany eto amin’ity firenena ity. Izao iaraha-mahita sy miaina izao anefa no manjo ny firenena sy ny vahoaka malagasy. Vahoaka mahantra sy faraidiny indrindra, 62 taona niverenan’ny fahaleovantena. Moa va diso ny safidy tamin’ny taona 1958 nanaovana fitsapan-kevi-bahoaka teto ka nanaovana eny fa hijanona ao anaty firaisambe frantsay ihany i Madagasikara na dia mahaleotena aza? Efa tany amin’izany taona izany ve no efa voafitaka indray ny malagasy? Famitahana izay miverina miseho indray ankehitriny.

Tsy ao anaty fisabakabakana mpitondra mihazom-pahefana, manao fitàn-droa amin’ny fizakana zom-pirenena no hahatafavoahan’ity firenena ity ao anaty fahantrany izao. Lainga sy fitaka bevava, mba tsy ilazana ilay teny vahiny hoe “haute trahison” atao amin’ny vahoaka malagasy, ny mpitondra mizaka zom-pirenena malagasy sy frantsay kanefa milaza fa hiaro ny tombontsoa ambonin’ny firenena sy hanandratra azy. Mpitondra manosihosy ny hasin’ny tanindrazana ity izany. Hatramin’ny oviana ireo sokajin’olona lasa sadasada mamba noana fahefana lava ireo no hamitaka ny Malagasy? Izay mihevitra, fa vita ny tolom-panafahana ny firenena, no kentrina indrindra. Tsy mbola mifarana ny tolom-panafahana izay efa natomboka tany amin’ny andron’ny fanjanahantany, sy tamin’ny 13 Mey 1972. Ny tsy fahavitan’izany no mahatonga ny firenena ho amin’izao toerana misy azy izao, ary mampieritreritra lalina ny nilazan’ny Banky iraisam-pirenena hoe afaka 70 taona i Madagasikara vao hahatratra ny fivoarana ara-toekaren’i Rwanda ankehitriny, raha izao zava-misy eto amin’ny firenena izao. Mila mandinika sy misaina lalina ny vahoaka malagasy.