Andry Tsiavalona
Miezaka mamafa ny dian-tongotry ny Filoha Ravalomanana Marc, tamin’izay rehetra nalehany ny filohan’ny Repoblika ankehitriny Rajoelina Andry. Tsy ny an-dRavalomanana Marc ihany anefa no ezahiny fafana, fa ny an’ireo Filoha rehetra nifandimby tato anatin’izay enimpolo taona sy roa amby (62) izay. Raha ny kabarin’ity filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao tokoa no jerena dia toa tsy nisy nahavita na inona na inona mihitsy teto amin’ity Firenena ity.
Amin’ny lafiny iray dia mitombona mihitsy izany satria na ny tsy fahaizana manisa, na ny fanomezan-toky (velirano) tsy misy tomombana, na ny fijapiana ny tetikasa efa natomboky ny teo aloha, na ny fanomezana vahana ny vahiny eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fibotoana tany, na ny famotehana ny mpandraharaha malagasy, na ny fanitsakitsahana Lalàmpanorenana, na ny fanodinkodinana volam-bahoaka, na ny fampiasàna ny foloalin-dahy ho herim-pamoretana, dia tsy mbola nisy nanao toa an-dRajoelina Andry tokoa.
Manala-baraka, tsy ny tenany fotsiny ihany fa ny vahoaka malagasy iray manontolo mihitsy, Rajoelina Andry, raha ny manao kajy an-kandrina farany izay mora toy ny teloambinifolo ampiana enina aza dia nolazainy fa valoambinifolo. Kabary am-pahibemaso, ren’ny mpiray Tanindrazana ary niparitaka manerana izao tontolo izao izany ka manamafy ny nolazain’ny tany amin’ny Firenena Mikambana fony izy saika mba nikabary tany, tamin’ny fotoan’ny tetezamita, ka nanomezan’ny tany an-toerana azy mpamari-toetra ho « sans qualité ». Nanambany ny Filoha Ravalomanana Marc, nandritra ny namaliany mpanao gazety iray hoe : « il n’est pas plus nul que Ravalomanana Marc ».
Velirano teloambinifolo no fanomeza-toky nataony ho tanterahina kanefa tsy misy na iray amin’ireo aza miainga hatramin’ity ny androany. Velirano iray iankinan’ny filaminam-bahoaka any amin’ny Faritra rehetra ny nilazan’ity filoham-pirenena ity fa hasiana « puce » ny omby, hividy angidim-by folo ary hampiasa « drone » hoentina miady amin’ny dahalo. Asa na tsy tadidiny izany fanomezan-toky izany, na kabary fampandriana adrisa fotsiny ihany, na tena tsy miasa araka ny tokony ho izy mihitsy ny « akora volon-davenina » (matière grise) ao aminy.
Niaraha-mahita ny fitokanana ireo fotodrafitrasa efa nahazoan’ny fitondrana teo famatsiam-bola avy tamin’ireo mpiara-miombon’antoka kenefa izao vao vita ka ohatra azo lazaina amin’izany ny « rocade ». Rehefa notokanana ny seranam-piaramanidina eny Ivato dia tsy sahy nikabary teny Rajoelina Andry satria ho afa-baraka raha niteniteny foana, fa izy no nahavita izany fotodrafitrasa izany, satria efa tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina Hery no nanomboka ny asa.
Tsy mbola nisy aloha hatreto fotodrafitrasa manara-penitra vita fa ny hita tany aloha no nolokoina « lokom-boasary » dia nidohafana. Mahazo vahana tanteraka tato anatin’ny telo taona mahery ny fanjakazakan’ny vahiny eo amin’ny sehatry ny toekarena, ka potehina tanteraka ireo mpandraharaha malagasy. Porofon’izany ny fampiakarana ny hetra takiana amin’izy ireo amin’izao fotoana izao ary manampy trotraka izany ny fanerena ny mpandraharaha tsy miankina hampiakatra ny karama farany ambany ho dimy alina sy roa hetsy ariary kanefa tsy mba nomena fanampiana izy ireo hiatrehany ny fatiantoka nianjady taminy noho ny valanaretina covid-19. Mibaribary tsy takona hafenina toy ny tafika andrefan-tanàna ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ataon’ny fitondrana ankehitriny, kanefa tsy nisy fepetra noraisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana nanoloana izany. Tsy hiresaka ankoatry ny tsy fampihàrana ny Lalàna momba ny Fanoherana eto satria manaporofo ity toe-draharaha ity fa matahotra an-dRavalomanana Marc ho eo amin’izany toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra izany izy, araka ny Lalàmpanorenana. Tsy latsa-danja noho izany ny fanendrena « governora » ho eo amin’ny toeran’ny Lehiben’ny faritra izay fidian’ny mpifidy vaventy (grands électeurs) araka ny Lalàmpanorenana ihany.
Tsy tambo isaina intsony ny fitokonana ataon’ny mpiasa eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana sy ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony noho ny fitakiana karama sy vatsim-pianarana tsy voaloan’ny mpitondra, kanefa dia niaraha-mahita fa fandefasana herim-pamoretana no asetrin’ny mpitondra izany ary vao omaly ny omaly no hita ny zava-nitranga teny Ankatso. Karama aza tsy voaloan’izao fitondrana izao, ka hisy fanantenana ve ny fampisondrotana satria tsy ao anatin’ny « velirano » tsy maintsy ho tanterahina ity toe-javatra ity.
Raha ireo rehetra ireo no dinihana dia azo inoana fa fantatry ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo izay tsy maintsy handraisany fanapahan-kevitra amin’ny ho avy manoloana ny toe-draharaham-pirenena, indrindra amin’izao ankatoky ny fahatsiarovana ny faha-dimampolo taonan’ny 13 Mey 1972 izao rahampitso.