16:00 > CUA – Fanadiovana faobe – Boriboritany faha-VI – Ankazomanga Atsimo – Andranomena

Araka ny torimarika nomen’ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana dia mila madio ny tanànantsika. Ka nanokana fotoana ny boriboritany faha-VI, nanomboka tamin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora sy sasany nanadio ny lalana, ny zana-dalana ary ny tatatra manomboka eo amin’Ankazomanga Atsimo ka hatramin’Andranomena. Olona mahatratra 350 no miara-misalahy amin’izany ary ny CUA no mandrafitra ny asa. Atao koa izao hisorohana ny valalan’aretina.

Rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio.

Araka ny toromariky ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana dia niaranientana nanao fanadiovana faobe teny aminy boriborintany faha 6 ny CUA .ny fokontany ary ny RF2 ny maraina teo

Publiée par Arp Helisoa sur Vendredi 21 septembre 2018