Angôvo – Famahana ny delestazy any Morondava, ny teo ihany no teo

Rajepa

Toy ny mahazatra rehefa misasaka ny volana dia efa miomana amin’ny fahatapan’ny jiro ny mponin’i Morondava faritra Menabe, na dia tsy misy filazana avy amin’ny Jirama intsony aza. Fa tamin’ity volana Mey ity dia efa tsy niomana intsony ny olona satria ny filoha Andry Rajoelina mihintsy no nilaza tamin’ny fandalovan’ny taty Morondava fa tsy mendrika hiaina izany delestazy izany intsony ny vahoakan’i Morondava, satria efa notokanana ny famatsiana rianaratra avy amin’ny masoandro, koa taitra sy kivy ny mponina raha nahare ny filazana fahatapan’ny jiro avy amin’ny Jirama, ka velom-panontaniana hoe ny filoha ve no mandainga sa ny fitantanana ny Jirama Morondava no tsy milamina?

Lazaina fa olan’ny tsy fahampian’ny solika no anton’izany nefa dia hita hatreto, fa mbola mandeha tsara ny famatsiana solika ny Jirama Morondava ary araky ny resaka nifanaovana tamin’ny mpiasan’ny Jirama dia mbola misy solika ao, fa tsy hay mihintsy ny tena antony mahatonga ity delestazy MORONDAVA ity. Ilay famatsiana rianaratra avy amin’ny masoandro moa dia tsy hay hoe efa mandeha sa tsia, fa hatreto aloha dia mbola ny teo ihany no teo ny delestazy eto MORONDAVA. Mandalo isam-bolana, tsy mety manadino, raha adinon’ireo olom-boafidy sasany fa hanaramaso ny fanatanterahana ireny tenin’ny filoha ireny no andraikiny, fa tsy hanao merci president fotsiny.