Kolontsaina – Liana amin’ny kabary koa ny Malagasy monina atsy La Réunion

Aly

Efa miparitaka eran’izao tontolo izao ankehitriny ny kolontsaina: kabary Malagasy. Tsy diso anjara amin’ny fanarahana fiofanana mahakasika izany, ireo Malagasy monina atsy amin’ny Nosy La Réunion. Miasa any an-toerana ao anatin’izay ny FIMPIMA na ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy, sampana FIMPIMA La Réunion.

Tamin’ity herinandro ity, nisy ireo Malagasy navoaka tamin’ny fomba ofisialy, fa nahavita fianarana kabary tany an-toerana. Nomena mari-pankasitrahana sy taratasy manamarina izany fahavitany fiofanana kabary izany izy ireo. Anisan’izany dokotera Sylvie Razafintsalama, filohan’ny fikambanana Soleil Marmailles La Reunion. Na any an-tany lavitra aza izy ireo arak’izany, manandratra hatrany maha-Malagasy.