Ny Valosoa
Toa nilatsaham-baratra ny filohan’ny repoblika sy ny tale jeneralin’ny Jirama notronin’ireo mpiaradia aminy tao Iavoloha. Nanaovan’ny Banky Iraisampirenena tamin’ny alalan’i Marie-Chantal Unwanyiligira, solontena maharitra, hafatra mavesatra ren-tany sy ren-danitra ary maso imaso, tao anaty lanonana fanaovana sonia mikasika tetikasa mitentina 220 tapitrisa dolara ho fanatsaràna ny famatsiana rano fisotro izay ho sitrahan’olona dimy tapitrisa monina ao Antananarivo sy tanàna dimy hafa voasingana toa an’i Mahajanga, Antsirabe, Manakara, no nisehoan’izany. Nisongadina tamin’izany fa tsy azo ialàna ny mpamatsy vola mahazatra, tsy mitsinjo ny vahoaka maro an’isa i Andry Rajoelina ary tsy mahay mitantana ka ho arakina akaiky. Fahafambaraka tsy roa aman-tany no niseho, ary imason’izao tontolo izao.
“Amin’ireo mpamatsy vola traditionnel, raha mbola ireo no ianteherantsika,… izaho milaza aminareo fa na amin’ny 2030, na amin’ny 2050 na amin’ny 2060, tsy handroso mihitsy i Madagasikara”, hoy tsara i Andry Rajoelina taona vitsy lasa. Tehamaina mandrivorivo amin’ny fomba mihaja no nahazo an’i Andry Rajoelina. Ary tao an-dapa mihitsy no voafelaka. Ho tafiditra ao an-dohany ve fa hatreto aloha dia tsy afa-miala aminy izany isika? Indrisy fa tsy ho fay mandrakizay amin’ny vava miteniteny foana, fampanantenana paokaty sy lainga izany Andry Rajoelina izany.
Tao anaty ny kabary nataon’i Marie-Chantal Unwanyiligira dia nitantara ny nahazo azy manokana vokatry ny fahatapahan-drano izy ary koa ny mahazo ireo fianakaviana mahantra milahatra eny amin’ny paompy. Izy tenany mihitsy no nidina teny ifotony nanadihady sy nitrandraka vaovao. Vao maraina amin’ny 5 ora hoy izy dia efa milahatra rano eny amin’ny paompy i Faniry, no manao dian-tongotra roa kilaometara. Ary tsy vitan’izany hoy izy, fa mahatratra 5000ar ny m3 amin’ny rano. Kanefa araka ny faktiora alefanao aty amiko andriamatoa DG hoy izy dia 750ar ny m3 alohako.
Rariny ve izany hoy izy nanontany ireo mpanatrika. Nanohy ihany izy nilaza hoe aleo izaho ihany no hamaly izany amin’ny toeranareo. Inoako hoy izy fa miara-manaiky amiko ianareo fa sady tsy rariny no tsisy fitovian-jo, « c’est injuste et inéquitable », satria ny olona mahantra indray no mando vindin-drano lafo noho ireo manana. Tokony ho maimaimpoana na moramora kokoa ny rano ho an’ireo mahantra hoy izy. Porofo mitohaka amin’ny tendany ity fa tsy mandraharaha vahoaka i Andry Rajoelina fa tombontsoan’olombitsy ihany.
Tsy vitan’izany ihany fa mbola notsindriny manokana koa ny tsy fahatokisana ny fitondràna sy ny Jirama eo amin’ny lafiny fitantanana sy ny fisian’ny kolikoly, izay sakana amin’ny fahalavorarian’ny tetikasa, ka ho apetraka ny « contrat de performance » amin’ny eo anivon’ny Jirama sy ministeran’ny Rano, mba hahafahana mamoaka ny famatsiambola. Fahafahambaraka tsy mbola nisy tao anaty enimpolo taona no miseho imason’izao tontolo izao. Raha mba nisy ny singam-panahy kely tavela dia mametraka fialàna i Andry Rajoelina sy ireo forongony, saingy vorona azon’adala ny fitondrana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
Efa tsy ny vahoaka intsony ihany no mitory ny adalàn’izao fitondrana izao fa miditra an-tsehatra koa ny avy any ivelany. Hatreto aloha na dia nanarin’ny Vondrombe Eoraopeanina mikasika ny fikaonandoha nasionaly hahafahana miatrika fifidianana madio, dia mbola misary adala toy ny mahazatra ny fitondrana.