Solontenan’ny Vehivavy TIM manerana ny Nosy – Mitaky ny famoahana tsy misy fepetra an’i Ninie Donia

Ny Valosoa

Tonga eto Antananarivo hanatrika ny faha-20 taonan’ ny antoko Tiako i Madagasikara ireo vehivavy TIM manerana ny faritra maro manerana ny Nosy. Manoloana izany dia nifamotoana tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM tao Bel’Air ireto farany omaly. Ny tanjona araka ny nambaran’ny filoha vonjimaika ny vehivavy TIM Analamanga Arphine Rahelisoa dia ny fijerena indray ny anjara toeran’ny vehivavy TIM aty amin’ny 20 taona manaraka indray. Ka ny tena imatimatesana amin’izany dia ny hametrahana ny filoha Marc Ravalomanana eo amin’ny toerana maha filohampirenena azy indray. Mahatsiaro mangirifiry mantsy hoy izy ny vehivavy satria izy ireo no maro an’isa ary mahafantatra ny fahasahiranana mianjady amin’ny tokantrano tsirairay.

Ankoatra izay dia ilaina ny fitoviana eo amin’ny samy vehivavy TIM manerana an’i Madagasikara, mba ho feo iray no atao hahamafy orina ny asa ataon’ ny vehivavy sy hampandehanana ny antoko araka ny tokony ho izy, izay miainga avy any amin’ny birao nasiônaly. Ny vehivavy TIM avy any Toamasina, ny depiote teo aloha Voizy Blandine indray dia nitaona ny vehivavy TIM manerana an’i Madagasikara mba hijoro manoloana ny zavatra misy ankehitriny eto amin’ny firenena ary haneho firaisan-kina. Mangataka ihany koa izahay vehivavy TIM hoy izy ny hamotsorana tsy misy fepetra an’i Ninie Donia mpikambana ao amin’ny antoko TIM, satria fitakiana ny rariny amin’ny mahazo ny mpiray tanindrazana aminy no nijoroany.

Fa nanatrika ny fotoana tao an-toerana ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Riana Randriamasinoro, nanome toromarika iombonana ho an’ny vehivavy TIM. Tanjona iray izao hoy izy no hatrehintsika amin’izao dia ny fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana. Ampirantiana ao amin’ny Magro Behoririka ankehitriny hoy izy ny zavabitan’ny filoha Marc Ravalomanana, ka betsaka ny latsa-dranomaso nahatsiaro ny zavabita tamin’izany fotoana izany, izay potika sy rava ankehitriny.