Ministra voalaza ho mpanavakavaka – Tsy milamina ny ao amin’ny raharaham-bahiny, migrevy ny mpiasa

Isambilo

Voalaza ho mpanavakavaka ny ministry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto, izay antony izay, anisan’ny tsy mampilamina ny ao amin’ity ministera ity amin’izao fotoana, ka mahatonga ny fitokonan’ny mpiasa. Nanao fanambarana ny sendika miisa 2 ao anivon’ity ministera ity:

“Taorian’ny valim-panontaniana nomen’Andriamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny an’ireo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara ny 29 jona 2022 teo teny amin’ny CCI Ivato :
Tsy marina ny filazan’ny Ministra fa misy ambadika politika ny fitakian’ny mpiasan’ny raharaham-bahiny, hanatsaharana ny fanavakavahana ato anivon’ny Ministera :

TSY EKENAY ARY MELOHINAY ireo teniny sy fihetsiny manebaka sy manevateva ary manambany ANAY mpiara-miasa aminy,

TSY EKENAY ARY MELOHINAY IHANY KOA IREO TENINY maneho mivantana, na an-kolaka ny fanavakavahana ara-pihaviana izay nataony taminay mpiara-miasa.
Tsy vonona ny hitondra vahaolana maharitra hanafoanana izany tsy fahamendrehana izany ny Minisitra, satria nailika fotsiny tany amin’ny resaka politika ny olana.
Aoka ny Minisitra tsy hialokaloka ao ambadiky ny antoko politika sy ny Governemanta amin’ny fanavakavahana izay ataony.
Ny « fihaonana in-telo miantoana » izay nolazainy fa nisy dia tsy nataony velively hamahana olana, fa hanapempoana ny mpiasa ary nitadiavany hametrahana ny fomba fijeriny azy manokana sy fanamaivanana ny fitakian’ny mpiasa.
Koa rehefa tsy nanaiky izay fomba fijeriny izay ny sendika dia izy mihitsy no nandà tsy hanohy intsony ny fifampiresahana. Izay no antony nahatonga ny fanapahan-kevitry ny sendikà voatery hanao ny grevy satria tapaka ny fifampiresahana.

Manamafy fa TSY MISY AMBADIKA POLITIKA velively ny fitakianay ary mahakasika ny mpiasa rehetra.
Fitakiana (Revendication) sendikaly madio mihitsy no ataonay, satria mahakasika mivantana ny mpiasa, ny tontolon’ny asa sy ny maha-olona izay misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny asa.
Tsy marina ny filazana fa ireo nody ny taona 2019 no mitaky affectation sahady any amin’ny Masoivoho :
Mazava ireo rijan-dalàna mifehy ny asan’ny Raharaham-bahiny. Hita fa mampihinana am-bolony fotsiny Andriamatoa Minisitra, raha nanazava ny momba ny affectation teo anoloan’ireo solombavambahoaka, satria fanazavana diso no nentiny. Mazava ny voalazan’ny Sata mifehy ny asanay eto amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny: misy fe-potoana voasoratra mazava hiasana any ivelany, sy hiasana eto amin’ny Département central. Ny fampiharana io fifandimbiasan’asa io no takian’ny mpiasa iray manontolo.
Tamin’ny taona 2019 no napetraka sy natomboka ny fampiharana ireo rijan-dalàna ireo, kanefa nandritra ny 3 taona izay dia tapaka ny fampiharana izany.
Tsy azo avela ho raraka an-tany anefa ny ezaka nataon’ny Fitondrana izay notanterahin’ireo Minisitra nifandimby, ho fanatsarana ny Minisitera sy ny tontolon’ny Diplômasia. Ny zava-misy ankehitriny dia mampanahy, fa ho very an-javony ireo ezaka fanatsarana sy fanavaozana natao ireo, raha mitohy ny andraso andraso tahaka ny nolazain’Andriamatoa Minisitra.

Mikasika ny fitakiana ny tambin-karama (indemnité de représentation) :
Tsy sasatra mamerina izahay fa efa nankatoavin’ny Filankevitry ny Governemanta io tambin-karama io, ary efa voasoratra ao anaty lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2022 (LFI sy LFR, izay tsy nasiam-panitsiana). Notakiana taminay im-betsaka ireo antontan-taratasy rehetra mikasika io « indemnité » io, ka efa nalefanay any amin’ny tompon’andraikitra mahefa hatrany izany.
Ankehitriny anefa dia miverina indray any amin’ny resaka « incidence budgétaire » ny fanazavan’Andriamatoa Ministra ny indemnités de représentation. Matoa anefa nahazo fankatoavana tao amin’ny tetibolam-panjakana ny sora-bolan’io indemnité io dia efa nisy izany ny « étude d’impact budgétaire » mahakasika izany, ary tsy mihoa-pampana velively.
Ho ANAY, fandrirarirana sy fandaniam-potoana ho anay izany rehetra izany, satria laharan’ny Arrêté sisa no andrasana.
Tsapa araka izany fa tsy nahavita nitondra ny hetahetanay tamin’Andriamatoa Praiministra sy Andriamatoa Filohampirenena Andriamatoa Ministra.

Eo anatrehan’izay voalaza rehetra izay, ny Sendika roa tonta dia :
Mitsipaka marindrano ny filazan’Andriamatoa Minisitra fa misy ambadika politika ny fitakianay ;
Manohy ny fitakiana ny fampiharana ireo rijan-dalàna mifehy ny asa eto anivon’ny Ministera, mitaky ny fanohizana ny ezaka nataon’ny minisitra nifandimby, ka tsy handrodana izay efa natsangana ;
Manamafy ny fitakiana ny laharan’ny Arrêté mahakasika ny tambin-karama, izay hany sisa andrasana mba hisitrahan’ny mpiasa izany isam-bolana.

Fehiny,
Ny Sendika roa tonta dia nanapa-kevitra fa mitohy ny fitokonana, ka ireto avy no takian’ny mpiasa :
Ny fampiharana tsy misy hatak’andro ny rijan-dalàna mikasika ny rotation sy ny affectation.
Ny fisitrahanay isam-bolana ny tambin-karama napetraky ny lalàna ho anay.
Ny fanatsarana ny tontolo enti-miasa eto anivon’ny Ministera, amin’ny lafiny ara-bola sy ara-pitaovana, mba ho tandrify ny maha- Ministeran’ny Fiandrianam-pirenena (Ministère de souveraineté) ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ary indrindra indrindra ny fanatsaharana ny fanavakavahana ara-piaviana ataon’ny Minisitra.
Koa araka ireo rehetra voalaza ireo, dia mampametra-panontaniana ny hoe Minisitry ny Raharaham-bahiny mahalala tsara ny asa atao ve no misy eto amin’ny Ministera, mampiray ny mpiasa sa mampizarazara? Ary ambonin’izay, moa va olona manana Fahendrena, mahay manetry tena ary feno fanajana, mendrika ny hitantana ny Departemantan’ny Fiandrianam-pirenena, izay mitondra ny endriky ny Firenena eran’izao tontolo izao no misy ankehitriny?”