Kaominina Ivato – Mitohy ny ezaka fanamboarana foto-drafitrasam-bahoaka

Stefa

Mitohy hatrany amin’izao fotoana ny fanamboarana foto-drafitrasam-bahoaka ataon’ny ao amin’ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo, tarihan’ny ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM).

Afak’omaly, nisy ny fitsidihana ny fahavitan’ny fatsakanan’ Andrianampoinimerina tao amin’ny Fokontany K2 nataon’ny Ben’ny tanàna, Penjy Randrianarisoa niaraka tamin’ny Solombavabahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Ambohidratrimo, Johnny Rakotoarisoa. Teo koa ny fijerena ny elakelatrano izay nanahirana ny mponina, indrindra rehefa fotoam- pahavaratra. Vita beton tsara izany ankehitriny. Faly sy nankasitraka izany ny mponina ary mbola manantena ny hitohizan’ ny asa miaraka amin’ny Ben’ny tanàna, Penjy Randrianarisoa izy ireo.

Ankoatra izany, nahazo jiro cobra manazava ny lalana avy amin’ny Jirama, sy ny ministeran’ny angôvo koa ny kaominina Ivato, napetraka avy hatrany koa ireo jiro fanazavana ny tanàna ireo.