Foto-drafitrasa- Mbola atao fitaovana pôtilika foana ny barazin’i Dabarà

Rajepa

Notanterahana afak’omaly teto Morondava, ny atrik’asa ho fampahafantarana ny vokatry ny fanadihadihana an-tsipiriany, momba ny fanatsarana ny tambazotran’i Dabarà, izay novatsian’ny Formaprod vola. Nitarika izany atrik’asa izany ny misitry ny fambolena sy fiompiana ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanantanjahantena sady Minisitra mpiahy ny Faritra Menabe, niaraka tamin’ireo manampahefana eto an-toerana, izay notarihan’ny Governora, Préfet, Solombavambahoaka voafidy teto Morondava, nasaina manokana ihany koa ny Governoran’ny Faritra Melaky.

Ny barazin’i Dabarà dia 54Km miala an’i Morondava manaraka ny RN35 mankany Antananarivo. Ny lemak’i Dabarà kosa dia mahakasika ny kaominina: Ampanihy, Mahabo, Ankilivalo, Analamitsivala, Bezezika ao amin’ny Distrikan’i Mahabo; Analaiva sy Bemanonga ao amin’ny distrikan’i Morondava.

Ankehitriny, 4680 ha ny lemaka no voatondraka, tombanana ho 20000 Ha aorian’ny tetik’asa fanatsarana. Tamin’ny 1974 no natomboka ny fanorenana ny fotodrafitrasa, tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola « fonds Israelien », ka ny taona 1978 no vita tanteraka ny asa ary tamin’ny taona 1994 no nisy fanarenana amin’ny ampahany voalohany tamin’ny famatsiam-bola « fonds AFD» rehefa simban’ny cyclone Cynthia tamin’ny taona 1991 ary nanomboka teo ny olan’ ny barazin’i Dabarà. Ny taona 2008 kosa ny fanatsarana ny ampahan’ny fotodrafitrasa, izay nataon’ny fanjakana tamin’ny « RPI».

Ny taona 2014 no nisy fanadihadiana ny fanarenana ny tohadrano sy ny lakan-drano voalohany, izay nivoatra tamin’izany fa afaka manondraka lemaka 12000Ha, ka miteti-bidy 80 miliara Ariary ny fanarenana tamin’izany, izay tsy nisy tohiny fa dia nijanona fampanantenana hatrany ny fanamboarana an’i Dabarà.

Ny taona 2016 dia nisy indray ny fanatsarana ny « avant canal », niaraka tamin’ny tetik’asa PURSAPS, izay tsy dia nahitana fiovana firy, fa mbola nitohy hatrany ny olana teo amin’ny rano ho an’ny tantsaha mpamboly.

Ny taona 2019 indray no nisy fanatsarana ny ampahan’ny fotodrafitrasa izay nataon’ny fanjakana tamin’ny « RPI».

Raha ny fototry ny olana hatramin’izay moa dia :
-Ny tsy fahampian’ny rano : tsy ampy ny tahirin-drano omen’ny sahandriaka, indrindra amin’ny vanim-potoana main-tany (Volana Aogositra).
-Mifoka rano be loatra ny lemak’i Dabarà.
-Fisian’ny atsanga manenika ny fotodrafitr’asa rehetra , fasika eo amin’ny faritra ambonin’ny barazy, izay manakana ny fidiran’ny rano anatin’ny prise, lakandrano, fandri-pasika eo amin’ny barazy.

Ireto kosa ireo olana nivoitra tao anatin’ny fanadihadihana :
Fisian’ny fasika anaty kanaly, anaty ny ouvrage ka mampihena ny hadirin’ny rano zakan’ny kanaly.
Ny fahanteran’ny fotodrafitr’asa, sy ny tsy fahampian’ny fikojakojana (MANQUE D’ENTRETIEN).
Tsy ampy fifandaminana.
Ny tsy fitsinjarana ny rano araka ny tokony ho izy (tsy fanajana ny tour d’eau , ny prise sauvage).
Ny tsy fanarahana taom-pambolena mirindra.
Ny asa atao vokatry ny fanadihadiana dia ny Barazy Dabarà, sy ireo asa fanatsarana rehetra miaraka amin’ny (CANAL SY OUVRAGE), izay miteti-bidy 50 145 465 452 Ariary, eo koa ny fanorenana ny barazy Kabatomena (4m3/s), sy ny lakan-drano mirefy 10 km (7km vita beton), izay miasa isaky ny ASARA ihany, ka miteti-bidy 24 245 472 978 Ariary. Hisy koa ny f anorenana ny barazy Tandila (2m3/s), sy ny avant- canal , izay miasa isaky ny ASARA ihany koa, miteti-bidy 610 502 262 Ariary. Ny farany dia ny fanaovana barrage de retenue vaovao ao BEKOPAKA, manana hadiry 180 000 000 m3, izay manampy ny rano ao DABARA mandritra ny main-tany, miteti-bidy 38 957 613 897 Ariary, izany hoe mba hahavita an’i Dabarà, izany dia mila vola 114 miliara Ariary ny fitondrana, satria dia mahatratra 113 959 054 590 ny fitambaran’ny teti-bidin’ireo asa ireo.

Na dia manome toky aza ny fitondrana dia toa mampanahy ihany ny zava-misy, satria teo aza 80 milliara tsy vita dia izao efa 115 miliara indray no ho vita, nefa iaraha-malala ny fahasahiranan’ny fitondrana amin’ny resa-bola amin’izao, ny olan’ny delestage tsy voavaha, ny volan’ireo mpikojakoja lalana sy ny mpanao lalana koa mbola eo andaniny, manginy fotsiny ireo fotodrafit’asa nanorenana vato fototra manerana ny nosy, saingy tsy mbola misy mihetsika noho izay tsy fananan’ny fanjakana vola izay.

Ny azo antoka dia mba hambaboana ny vahoakan’i Menabe, satria efa akaiky ny fifidianana dia natao izao fanadihadiana izao, saingy hanampy ny tantaran’i Dabarà fotsiny fa mbola lavitry ny afo ny kitay, hoy ny fitenenana izay, sarotra be no inoana fa hahafoy io volabe io, ho an’ny fotodrafitr’asa iray ho an’ny faritra iray ary ny tena mahagaga dia tsy hita ao anatin’ny PLFR 2022 akory ilay asa atao.