Faritra Menabe – Vaky tanteraka ny ady amin’ireo ministra nifandimby toerana

Rajepa

Vaky tanteraka ny ady eo amin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena teo aloha Andriamatoa Hawel sy Tinoka Roberto, izay nandimby azy.

Raha tsiahivina ny tantara dia vao voatendry ny minisitra teo aloha ary mbola tsy vita ny famidram-pitantanana dia efa noendahan’ny minisitra teo aloha avokoa ny tombontsoany tany amin’ny minisitra Tinoka Roberto, toy ny fiara sy ny sisa, ka tezitra noho izany ity farany, ka nandrava ny fihavanana nisy teo amin’ny roa tonta. Nanomboka teo dia nangatsiaka ny fihavanana teo amin’ireto minisitra zanak’i Menabe ireto ary efa tonga any amin’ireo ekipan’ny andaniny sy ankilany izany, ka vaky ny ady eo amin’ny samy Mapar ao Menabe, tsy vitan’izay fa ireo olom-boatendry izay napetraky ny minisitra teo aloha dia alan’ny mnisitra vaovao avokoa ary efa tonga hatrany amin’ny mpiasa ao amin’ny faritra izay maro no nampidirin’ny minisitra teo aloha tao no voaroaka tato ho ato nandritra ny fandalovan’ny minisitra Roberto taty Morondava. Miezaka mametraka ireo olony ingahy minisitra amin’izao, ka izay tsy mitovy firehana aminy sy tsy manao politika dia alana avokoa ireo talem-paritra. Maro ireo anaran’ny talem-paritra izay efa miparitaka fa ho esorina raha ny zava-misy nefa dia tsy manana olona izy ireo, ka ahiana ny fametrahan’olona petatoko amin’ireny fitaleavam-paritra ireny.

Hatreto dia maro ny toerana mbola banga ato Menabe noho izay tsy fananan’ny Mapar olona azony antoka izay, toy ny Prefektioran’i Morondava izao dia sady tsy manana lefitra no tsy manana SG, ka raha misy fotoana tsy ao antoerana izy dia voatery manafatra ny lehiben’ny distrikan’i Mahabo hanao nyasany vonjimaika, saingy rehefa samy tsy eo izy ireo dia eo no raisina.

Sampandraraham-panjakana maro manerana an’i Menabe no tratran’izany ny kaominina ambonivohitr’i Morondava, izay renivohitry ny faritra Menabe aza moa tsy misy ben’ny Tanàna lanimbahoaka sady tsy misy mpanolotsaina, hany ka mihitsoka avokoa ny asa ilana deliberation, satria dia ben’ny Tanàna mpisolo toerana no ao raha tokony naverina ny fifidianana ben’ny Tanàna tao Morondava, araka ny didy izay navoakan’ny fitsarana tamin’izany dia mbola tsy tanteraka hatramin’izao.

Izany rehetra izany anefa tsy misy mijery, fa toa variana miady an-trano ireo mpitondra samy Mapar ao Menabe ary efa miezaka mafy ny manao ny kajikajy ny mba hahazoan’ny Tgv fandresena ato Menabe izay nofy izany, satria teo ary mbola tsy nampitondra mangidy azy ny filoha Andry Rajoelina tsy naharesy ny filoha Marc Ravalomanana tato Menabe, koa mainka fa ny olona izay efa mitaraina amin’ny ataon’izao fitondrana izao, ho sahirana izy ireo any Menabe.