Sôh’son
Mandeha amin’ny lalana tsy tokony hizorany intsony ankehitriny ny fitondrana, noho ny toe-java-misy izay efa hita ho tsy voafehiny intsony. Miharihary izany tamin’ny herinandro lasa iny, sy indrindra tamin’ity herinandro diavina ity, izay nandraisany fepetra nanery ireo mpitatitra hanaraka ny saran-dalana napetrany.
Tsikaritra ho tsy maintsy ho niroso amin’izany izao fitondrana izao, fa niha-nipoitra ny baranahiny eto amin’ity firenena ity tamin’ny sehatra samihafa. Iray tsy maintsy hany nifaharany mafy sisa ny zava-misy eto Antananarivo satria eto no tsy maintsy atao izay isehoana, fa mbola manao ny andraikiny izy. Iarahan’ny rehetra mahita anefa, fa alasafay ihany izany, satria ny fahoriam-bahoaka amin’ny ankapobeny mihitsy no tsy voafehin’izao fitondrana izao intsony. Manaporofo izany ny vidin-javatra ilain’ny sarambabem-bahoaka, izay miaka-bidy isan’andro vaky izao.
Tsy misy afitsoka ny fitondrana manoloana ny zava-misy. Fitondrana tsy mahavita ny andraikiny intsony, fa manarontsarona amina fihetsika tampi-maso etsy sy eroa fotsiny sisa ialàna bala. Izao fotoana mavaivay ijaliam-bahoaka izao no tena ilàna ny fitondrana miàsa miaro ny fiainany. Zary « fitapitaka » miharo politika hafetsena sisa no ataony ankehitriny, raha ny fahitana ny raharaha, fa tsy tafavoaka intsony izy. Ny anaporofo izany, ny sarambabem-bahoaka ho sempotry ny fahasahiranana lalina, sy hoporetin’ny fahantrana mafy kokoa noho ny teo aloha, no hitranga sy efa mitranga. Tamin’izao fitondrana izao no tena faraidiny ny sarambabem-bahoaka malagasy hatramin’ny naha tany ny tany araka ny fitenenana, fa tsy hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena no mankaty. Tamin’izao fitondrana izao ny malagasy amin’ny ankapobeeny, fa tsy mijery ireo vitsy an’isa mpanefoefo, no tena fadiranovana. Nahita ny tsy fahitany tokoa araka ny nambarany ny vahoaka malagasy.
Raha tena olom-panjakana (homme d’Etat) tokoa, dia tsy hiahotra ny hibaboka amin’ny vahoaka ny fahasahiranana lalina ampitondraina azy sy ny tsy fahombiazany ny fitondrana. Raha tena olom-panjakana marina sy mahitsy dia sahy hiaiky, fa tsy tafavoaka ary sarotra ny lalan-kodiavin’ny firenena anklehitriny. Ny mifanohitra amin’izany dia mbola miziriziry sy entin’ny hambom-po diso toerana, ka miseho hatrany hahavita. Minia mikimpy eo anoloan’ny loza mitatao sy efa mihàtra amin’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao izy ireny, ary fanetriben’ny firenena mihitsy aza no azo ilazana azy.